Tantara mikasika ny Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)
Ny sesitany ve no hany vahaolana ho an'ireo Mongoliana pelaka?
Manana vondrom-piarahamonina LGBTQ+ mavitrika i Mongolia. Na izany aza, ho azy ireo, ny fiainana pelaka an-karihary dia mety ho sarotra loatra ka mahatonga ny maro hihevitra fa ny sesitany no vahaolana mahomby.
Ahoana ny ho fihetsik'i Hong Kong manoloana ny Gay Games: fanohanana sa fanafoanana?
Nohamaivanin'ny mpikarakara ao an-toerana ny sivana, nataony ho toy ny tsy olana ary notsipihany fa "antenainy ny hanajàn'ireo mpandray anjara avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny lalàna sy ny kolontsaina ao an-toerana"
Nohadihadian'ny polisy Maleziana momba ny afisy manohana ny LGBTQ+ ireo mpikarakara ny diaben'ny vehivavy
"Tao anatin'ny telo taona farany, nisy ny tsy fahampian'ny hetsika nataon'ny governemantantsika mba hiarovana sy hitandroana ny zon'ny vehivavy sy ireo lahy sy vavy voahilikilika."
Ankizivavy “Trans” avy any Rosia namono tena tao amin'ny toby fialokalofana
Mampiharihary ny olana amin'ny fahazoana fitsaboana ara-tsaina sy ara-pahasalamana any anatin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ity tranga mahatsiravina ity. Atahorana fatratra ny amin'ireo solontenan'ny vondrom-piarahamoninaLGBTQ+ raha tonga amin'ny famonoantena ny resaka.
Nanao diabe ny vehivavy nanamarika ny Andron'ny 8 martsa tany Tiorkia, na teo aza ny faneriterena ataon'ny fanjakana
Nandritra izany fotoana izany, nampanantena ny antoko mpanohitra fa ity no diabe farany ataon'ny vehivavy ahitana ny fanatrehan'ny polisy maro sy fandraràna.
Hajao amin'ny maha-izy azy izy
"Miaraka amin'ireo fanamby sy ny fahasarotana ary fifanoherana rehetra entiny, ry zareo nivadika ho vehivavy dia endrika iray isehoan'ny maha-vehivavy."
Tia ilay hira vaovao an'i Shakira? Henoy ireo hira hafa manome hery avy amin'ny DJ iray
Manampy amin'ny famolavolana ny kolontsaina pop ho sehatra azo antoka kokoa sy manome hery ho an'ny vehivavy rehetra sy ny LGBTQ+ i Bizarrap sy ireo mpanakanto ireo
Fanafihana iray hafa nahazo ny foibe LGBTQ+ ao Podgorica no manasongadina ny filàna fiarovana ny zon'olombelona ao Montenegro
Jiolahimboto tanora miisa enina mitondra bara vy no nikasa hiditra ankeriny tao amin'ny ivon-toerana LGBTQ+ Drop In center tao Podgorica. Ny andro mialohan'io dia nisy andiana tovolahy mitovitovy tamin'ireo nandrahona ny mpiasa.
Ireo tsy voaaro: Ny zara fa mba fiarovana atolotry ny pôlisy ho an'ny vondro-mpiarahamonin'ireo LGBTQ+ ao Azerbaijan
Marobe ireo olona LGBTQ+ miatrika fanavakavaahana sy herisetra ao Azerbaidjan no zara raha afaka miantehitra amin'ireo pôlisy na ny rafi-pitsaràna ôfisialy
Mpitantana ny ara-pinoana ao Tiorkia, manambara fa tsy azon'ny vehivavy atao ny hivezivezy irery
Tsy vao sambany izao ilay sampan-draharaha misahana ny ara-pinoana ao anivon'ny fanjakana Tiorka no mamely mivantana ny vehivavy sy ny fahalalahan-dry zareo, amin'ny fampietrena ny toerany ao anivon'ny fiarahamonina