· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Marsa, 2011

Iran: Mpitoraka Bilaogy Iray Nivavaka Mba Hahita Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Ho Voadaroka

Taorian'ireo hetsika maro nihanaka tany Iran tamin'ny 14 Febroary, nofenoin'ireo Iraniana mafàna fo an-tserasera taminà lahatsary ny aterineto, ary sary sy bitska avy eny amin'ny fihetsiketsehana. Mandritra izany fotoana izany, misy fomba filaza iray hafa mikasika ny hetsika. Ireo Islamista mpitoraka bilaogy sy mpomba ny governemanta koa dia niroborobo rehefa tonga ny fotoana hizaràn'izy ireo ny fonba fiheviny teo amin'ny aterineto.

Bahrain: Mibahana ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena ny fihetsiketsehana

Nobahanan'ny mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana io alatsinainy maraina io Lapan'ny Filakevi-pirenena izay toerana ivorian'ny Parlemanta sy ny Filankevitra Shura (Consultative) isan-kerinandro. Ny anton'ny fihetsiketsehana teo anoloan'ny Antenimieram-pirenena moa dia ny handravana ny rafitra "roa loha" ankoatra ny fitakiana hafa ataon'ny mpanao fihetsiketsehana toy ny Lalampanorenana vaovao sy ny fanonganana ny fitondrana.