Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Avrily, 2019
Shina : Sazy valo taona an-tranomaizina ho an’ilay tomponà cybercafe
Voaheloka higadra 8 taona an-tranomaizina i Cao Haibo, 27 taona, tomponà cybercafe iray noho ny fiampangana azy tamin’ny ‘’fanakorontanana ny Fanjakana’’, tamin’ny 31 Oktobra 2012 tao Kunming, tao amin’ny faritanin’i Yunnan, araka ny vaovao avy ao amin’ny New York Times tamin’ny 01 Novambra 2012.
Rosia: Bilaogera nosamborina noho ny tsahotsahon'ny pesta
Nosamborina tamin'ny 3 Desambra i Ivan Peregorodiev, mpianatra mpitsabo sady bilaogera 22 taona noho ny fanaparitahany tsaho momba ny pesta areti-tratra ao an-tanànan'i Saratov. Nampangain'ny manampahefana ho nampiely vaovao tsy marina mifandraika amin'ny asa fampihorohoroana izy.
Hong Kong: Mitohy ireo Fanafihana Goavana amin'ny alàlan'ny DDoS, Mikendry Vohikalam-baovao Mpomba ny Demokrasia
Andro vitsivitsy taorian'ny fanafihana goavana tamin'ny alàlan'ny DDoS natao taminà rafitra fifidianana an-tambajotra iray tarihin'olompirenena, nahitsoky ny mpijirika informatika ireo vohikalam-baovaon'ny Apple Daily ao Hong Kong sy Taiwan.
Haingo Fanampin'ilay Mofomamy Virtoaly: Ny Volavolan-dalàna Jordaniana Mikasika Ny Fifandraisandavitra
Hanome fahefana mivalapatra ho an'ny Vaomieran'ny Fifandraisandavitra mba hanameloka sy hanakana karazana votoaty maro isan-karazany ao anaty aterineto ny volavolan-dalàna iray vaovao mikasika ny fifandraisandavitra.
Maraoka : Nakaton’ny Facebook ny kaontin’ny vondrona mpikatroka manandratra ny mahalahika sy ny mpanorina azy
Hita fa toa tsy mihatra ny fanambarana momba ny zo sy ny andraikitra raha tsy misy mpisera maro manohitra ny fisian’ny vondrona iray, ary rehefa nesorina izany dia matiteka mahatsikaritra ireo mpanorina fa tsy afaka manokatra izany intsony izy ireo.
‘Nofy Tsy Mifanaraka: Politikan'ny Tanàna': Manaitra Momba ireo Olana Sosialy Ao Nepal Ny Kanto
Nandritra ny an-jato taona maro, ny fitantaràna mahazatra an'i Nepal dia nanavaka an'ireo tantara sy ireo zavatra niainan'ireo vondrom-piarahamonina marobe natao ankilabao, niangaran'ny vintana ary indizeny. Sarihan'ireny fampirantiana ireny ny saina ho amin'ireo an-tanan-tohatra ara-tsosialy fototr'olana sy ireo dindo iraisam-pirenena manjakazaka.
Hofehezina tahaka ny fampitam-baovao ihany koa ny bilaogy Rosiana atsy ho atsy?
Ny 7 aprily 2014, depioté roa ao amin'ny Douma Rosiana no nampahafantatra fa hanolotra volavolan-dalàna hifehy ny vaovao ao amin'ny aterineto izy ireo.
Fanentanana hiala amin'ny kaonty Twitter an'ny Lenta.ru
Nanomboka fanentanana madinika mba handrisika ireo mpiserasera hiala ao amin'ireo "matoatoa" mpisoloky ireo mpanjifa marobe ao amin'ny @lentaruofficial, nikomy noho ny zavatra hitan'izy ireo fa fisolokiana.
Mangina ny hetsika Hirak ao Maraoka, kanefa mitohy ny famoretana ireo fampitam-baovao tsy miankina
Niteraka fihetsika feno herisetra ho an'ireo mpanao gazety tsy miankina sy ny olona te-handrakitra ny hetsi-panoherana sy ny famoretana niseho ny fihetsiketsehana. Farafahakeliny mpanao gazety tsy miankina fito no voasambotra raha nandrakitra ny fihetsiketsehana. Araka ny filazan'ny Komity mpiaro ny mpanao gazety, telo no migadra ankehitriny noho ny fitantaran'izy ireo ny Hirak.
Mandefa Ireo Zanabolana OneWeb Voalohany Ny Sambondanitra Rosiana Soyuz, Saingy Naraikitry ny Lalàna Maneritery Teto An-tany
Potika sy may ny fanantenan'ireo Rosiana hanana fidirana aterineto tsy misy sivana taorian'ny nametrahan'ireo manampahefana fitsipika hentitra sy fanarahamaso tanteraka ataon'ny governemanta amin'ny tetikasa mpisava làlana fizaràna ny Aterineto amin'ny alalan'ny zanabolana.