Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Mey, 2018
Kazakhstan: Adin'ny Media
Tsy te-hahita tantara ratsy hafa ifandonana amin'ny mpanao gazety ireo manampahefana, nefa tsy liana loatra koa amin'ny fandefasana ireo zavatra manaratsy ny governemanta sy ny filoha
Shina : Olona Mpiahy Ireo Blaogera Mafana Fo?
Ahoana no hamaritana ilay blaogera MSN Spaces roa amby roampolo taona Zeng Jinyan? Loza mitatao ho an'ny filaminan'ny firenena ve ? Mpikatroka mafana fo miady amin'ny SIDA izay mitondra fanohanana, fifaliana ary fanantenana ho an'ireo kamboty tsy tambo isaina nateraky ny otrik'aretina SIDA ve ? Vehivavy tanora iray lasa mpanao hiringiriny taorian'ny nakan'ny fanjakana an-keriny ny vadiny nandritry ny iray volana mahery ? Mpiahy mitondra tenin'ireo niharan'ny tsy rariny ao anatin'ny faribolana sosialy ao Shina kanefa tsy mahateny ve ?
Namidy tamin'ny orinasan'ny fifandraisana amin'ny daholobe miasa ho an'ny antokon'ny fitondrana ny tranonkalam-baovao mahaleotena farany ao Kambodza

"Voaraoka ny lehiben'ny tonian-dahatsoratray noho izy nitsangana ho amin'ny fahaleovantenan'ny asa fanaovan-gazety ary tsy nety nanaisotra lahatsoratra manasongadina ny mpamoaka lahatsoratra vaovao ato aminay."
Namotsotra ny “mpanao gazetiny nigadra farany” i Ozbekistan
Sambany tao anatin'ny roapolo taona mahery no tsy nisy mpanao gazety migadra na dia iray aza ao Ozbekistan, izay firenena nanjakan'ny tsirefesimandidy indrindra teto ambonin'ny tany taloha.
Mivembena ny ezaka ataon'ny governemantan'i Rosia handrara ny Telegram, sangisangian'ny mpikatroka nomerika ny sampana mpanao sivana

Anaovan'ireo Rosiana fanalan'andro ny fandanian'ny sampan-draharahan'ny sivana rehefa miezaka mandrara ny fampitan-kafatra ankamamiany ilay sampan-draharaha.
Nolazain'ireo mpikatroka ao Moskoa fa notapahin'ny orinasam-pifandraisandavitra, araka ny baikon'ny polisy, nandritra ny hetsi-panoherana ny tambajotram-pinday

Efa fahita hatrizay ny fahatapatapahan'ny tambajotra rehefa misy hetsi-bahoaka ao Rosia, kanefa nilaza ireo mpikatroka ankehitriny fa ninia nanaratsy ny kalitaon'ny tolotra noho ny baikon'ny polisy ny orinasan'ny fifandraisandavitra.
Lasa maditra loatra i ‘Peppa Pig’ ho an'ireo mpanao sivan'i Shina

Zanakolontsaina iray mampifandray an'i “Peppa Pig” amin'ny “Shehuiren”, voambolana iray milaza ireo andian-jiolahy, ka mahatonga an'ilay kisoa malaza ho ao anatin'ny honahonam-potaka.
‘Tsy ho adinoina mandrakizay ianao sy izao famoizana izao': Ny asa mahafaty iainan'ny fampitam-baovao ao Afghanistan

"Andro mahory tokoa. Asa mafy tokoa. Fotoana maizina tokoa eto Kabul. Mitati-baovao ny fandevenana ny mpiara-miasa aminy, Yar Mohammad Tokhi, i @TariqMajidi."
Nofaranan'ny vehivavy Hazara ny fitokonana tsy hanendry hanina hanoherana ny famonoana azy ireo rehefa nanaiky ny hifampiresaka ny lehiben'ny tafika pakistaney
"Mangataka ny Lehiben'ny Tafika tsy maintsy tonga eto Quetta manao fanamiana sivily izahay hihaino ny kiakiaky ny mananon-tena 3000 sy ny kamboty 10.000."
Meksika: Hanohy ny Asany ny Orinasam-Pifandraisan'ireo Vazimba Teratany — Hatreto Aloha

"Ho anay, ny tsy maintsy handoavana iray tapitrisa pesos dia mety hidika hoe tokony hatsahatray ny asa. [...] Misy ireo maka toerana mba hanohana ny matanjaka. Fa izahay kosa hanaraka ny làlana tena ilaina, amin'ny fanantenana hoe any am-parany any, dia homena lanja ny zon'ireo vahoaka sy vondrom-piarahamonina vazimba teratany"