Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Oktobra, 2015
Netizen Report: Hibahana Ireo Antso Amin'ny WhatsApp sy Skype Ve Ejipta?
Nisambotra olona roa mpandefa lahatsoratra amin'ny Facebook i Libanona, mibahana ireo vohikala Bitcoin noho ny ady amin'ny vola vahiny i Venezoela, ary nanao ny 'Safe Harbor ' ho lavitra an'ireo orinasa teknolojika Amerikana ny Fiombonambe Eoropeana.
Mampivoitra ny mahazo ireo mpitsoa-ponenana ny rindrankiran'ny tarika Pussy Riot tao an-jaridainan'i Dismaland najoron'i Banksy
Ny Rosianina mpihira Punk sady mpikatroka ara-politika Pussy Riot dia nanao fanentanana hiaro ireo mpitsoa-ponenana any Eoropa tao anaty seho an-tsehatra nahery setra sy mavesatra tao amin’ny toerana fialambolin’i Banksy tao Dismaland, Londra.
Mpanao Gazety Serba Sotasotain'ny Polisy Eo Am-panaovana Tatitra Momba ilay Toerana Hanorenana Ao Belgrade Mahatonga Resabe
Tsy voalohany izao no niatrika olana amin'ilay fitaterana vaovao momba ilay tetikasa Belgrade Waterfront mitentina 3,5 lavitrisa Euro ireo mpanao gazety.
Mbola velona ny hira fampieritreretana indray ny atao hoe fahefana nataon'ilay mpanakanto Shilianina Victor Jara na dia elabe taorian’ny namonoana azy aza
Nanasa ny mpihaino hahasahy hanonofy hoavy ahitana fiarahamonina tsy voasaraky ny vato nasondrotry ny tany matanjaka ara-pahefana sy ny sarambabem-bahoaka ilay mpamoron-kira sady mpihira novonoina ho faty vokatry ny fanonganam-panjakana nataon'i Augusto Pinochet.
Nalaina an-keriny, Fa Mbola Ao Anatin'ny Fahatsiarovan'ireo Syriana Hatrany i Sameera
Mpampianatry ny fanantenana i Yasin Al Hajj Saleh. raha afaka mitsiky manoloana ny fanantenana izy, inona ny fialantsininao?
Tahotra Momba Ilay Siriana Injeniera Informatika Voafonja, Nafindra Ho Aminà Toerana Tsy Fantatra
Takian'ireo mpikatroka mafàna fo ny governemanta Siriana hamotsotra tsy misy hatak'andro an'i Bassel Khartabil (Safadi), taorian'ny nanesorana azy tao amin'ny fonja nisy azy ho any aminà toerana iray tsy fantatra, ny maraimben'ny 03 Oktobra teo.
Fantaro i ‘Droncita,’ Meksikana Artista Voalohany Mpanao Graffiti Amin'ny Drone
Ho fankalazàna ny tsingerintaona voalohan'ilay fakàna an-keriny faobe tao Iguala, ny fanaovana graffiti ny sarin'ny filoha Meksikàna Enrique Peña Nieto no asa voalohany nataon'i Droncita, itakiana ny fametrahany fialàna
Fomba Enina Nataon'ny Hery Mpomba Ny Governemanta Taorian'ny Hetsika Bodoy an'i Hong Kong
"Manome sosokevitra ny hetsika [Bodoy i Hong Kong] hoe ho samy eo amin'ny sampanan-dàlana ny Aterineto sy Hong Kong, hoe tsy afaka handray ny fahalalahany ho toy ny fanomezana ireo roa ireo," hoy ny nosoratan'i Lokman Tsui.