· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Janoary, 2011

Tonizia: Anonymous vs Ammar – Iza no Handresy Amin'ny Adin'ny Sivana?

Ny Sivana Toniziana, fantatry ny rehetra amin'ny anarana hoe Ammar, dia manohy manafika hatrany ny kaontin'ireo mafàna fo, ao amin'ny firenena noho ny fijoroana vavolombelona amin'ny resaka onjan-panoherana hatrany amin'ny tapaky ny volana Desambra. Androany izao (3 Janoary), mikiaka ireo mafàna fo fa miditra an-keriny amin'ny kaonty mailak'izy ireo ny governemanta, miditra any amin'ny bilaogin-dry zareo sy ireo vohikala tambajotra sosialy ary manakana azy ireo.Ilay hetsika dia toa sahala amin'ny famaizana noho ny fanafihana nataon'ny Anonymous, izay nikendry ny ain-dehiben'ny vavahady aterineto sy ny vohikalan'ny governemanta Toniziana.

Jordania: Afaho i Taher Nassar!

Tahir Nassar, mpisolovava iray sady kandida nirotsaka hofidiana tao amin'ny antenimiera, dia nosamborina sy notànana any am-ponja Jordaniana noho ny fiampangana azy ho "nihantsy ady eo amin'ny sekta." Ny helok'i Nassar dia ny fandaharan'asam-pifidianany izay mampibaribary ny fanavakavahana mianjady amin'ireo Jordaniana manana fiaviana Palestiana. Naneho hevitra manodidina ilay vaovao ireo mponin'ny aterineto.