Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jona, 2022
Valinteny feno famoizampo manoloana ny fihibohana vokatry ny COVID-19 ao Shina: ‘Izahay no taranaka farany.’
Ny sasany mandika ilay "fanambaràna Izahay no taranaka farany" ho toy ny endrika farany feno famoizampo hanoherana ny fanamparam-pahefana.
Lalàna vaovao mandrangotra ny fahalalaham-baovao sy fitenenana ao Mozambika
Na iza na iza, na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana, mamoaka torohay efa nampirimina araka ity lalàna ity dia hosaziana fanagadrana 12 ka hatramin'ny 16 taona.
Ao an-drenivohitr'i Azerbaijan, antso ho an'ny fampitsaharana ny tsimatimanota atao an'ireo mpikatroka
Vondrona mpikatroka anaty fiarahamonim-pirenena iray nanomana famoriambahoaka tao Bakou, mitaky ny fampitsaharana ny tsimatimanota atao amin'ireo mpanakiana ny governemanta, ireo mpikatroka ara-politika ary ireo mpanao gazety.
Manjary kianja iadiana ara-politika ny rindrankira ao Tiorka
Andianà fandraràna fampisehoana miteraka adihevitra ao Tiorkia mampirongatra fanakianana ny antoko eo amin'ny fitondrana Rariny sy Fampandrosoana (AK) noho ny fametrahana fameperana zary tarazo mihatra amin'ny olom-pirenena sy ny zavakanto.
Mihetsika mitaky fitoviana manoloana ny fanambadiana ireo mpikatroka ao Thailandy
Fanangonan-tsonia iray no natomboka hanolorana fanitsiana ny Fehezandalàna sivily sy ara-barotra mba hahafahana mandrakitra an-tsoratra ny fanambadiana eo amin'ny olona roa, samy lahy na vavy.
Ao Azerbaijàna, mampahonena ny fahalalahan'ny media araka ny voalazan'ireo manampahaizana
Amin'izao fotoana izao izay farafahakeliny mpanao gazety efatra no mbola voafonja, ary voasakana ireo tranonkala Web tsy miankina sy mpanohitra, ary manjaka ao Azerbaidjan ny sivana, dia tsy misy antony mihitsy hiravoravoana amin'ity anio ity.