Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Aogositra, 2021
Faritan'ny governemantan'i Hong Kong ho “fampihorohoroana ataon'amboahaolo mandeha irery” ny fanafihana polisy
Nofariparitan'ny polisy ho 'asa fampihorohoroana ao an-toerana ataon'amboahaolo mandeha irery' ity tranga ity ary norangitina tamin'ny alalan'ny kabarim-pankahalana ilay lehilahy.
Nisy nandrovitra tamin'ny andron'ny herisetra an-dalambe faharoa avy amin'ny ankavanana hiringiriny ny sainan'ny Vondrona Eoropeana tao amin'ny Parlemanta Zeorziana
Vahoaka an'arivony maro, anisan'izany ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny pelaka sy ireo mpanohana ary ny mpitarika ny mpanohitra, no nivory teo ivelan'ny tranoben'ny parlemanta tao Tbilisi hanohitra ny herisetra atao amin'ireo LGBTQI+ sy ny mpikarakara ny Fireharehana.
Hetsika #Lawan mitaky ny fialan'ny praiminisitra Malayziana amin'ny fiatrehana ilay valan'aretina
"Ahitana tanora maro ny mpanomana ity hetsi-panoherana ity, ary derainay ny fitiavana sy ny fanoloran-tenan-dry zareo ho an'ny firenentsika."
Mbola miasa na dia tafihana, samborina sy endahina aza ny gazety pro-demaokraty Apple Daily
Tamin'ireo mpitantana ambony dimy nosamborina, nampangaina amin'ny fomba ofisialy ho mifandray tendro amin'ny singa ivelany ny roa tamin'ny 18 jona
Tsipahin'ny mpianatra thailandey sasany ny manao fanamiana sy mijoro hanao hiram-pirenena mandritra ny fianarana an-tserasera (anjotra)
Tsy manaiky hijoro ny mpianatra sasany raha mampiasa sivana fakantsary kosa ny hafa hahatonga izany ho tahaka ny manao fanamian'ny sekoly ry zareo.
Bielarosiàna mpihazakazaka haingam-pandeha, noroahan'ireo manampahefana Belarosiàna handao ny Lalao Olaimpika, milaza fa hangataka fialokalofana
Nanambara i Krystsina Tsimanouskaya, 24 taona, fa tsy atahorany ny ho ahilika tsy ho ao anaty ekipam-pirenena, fa ny hogadraina raha vantany vao tafaverina ao Belarosia.
Vehivavy ao Shily nahatsangana vondrom-piarahamonina mahomby amin'ny alalan'ny radio
"Maro ireo mihevitra fa maty ny ham radio noho ny aterineto, saingy tsy izay no izy."
Belarosiana mpikatroka nanjavona hita faty tany Okraina
Nandao an'i Belarus i Shyshou tamin'ny mihintsan-dravina 2020 noho ny tahotra hohenjehin'ny fanjakana, ary nanorina sy namelona ny Trano Belarosiana ao Okraina (BDU), fikambanana iray tsy mitady tombombarotra manohana ireo olompirenena Belarosiana mandositra ny fanenjehan'ny fitondrana ao Belarus.
Nobahanan'ny mpanao sivana aterineto Rosiana ny tranonkalan'ny Ekipa Navalny
Nampiana ho ao anatin'ny lisitry ny tranonkala voabahana ao Rosia miaraka amin'ireo tranonkalan-tambajotram-pirenena ao amin'ny biraom-panentanana ho an'i Navalny miisa 40 hafa ny tranonkala fototra, navalny.com, sy ny free.navalny.com.