Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Mey, 2019
Azerbaijan: Mpikatroky ny N!DA miatrika famonjàna 6-8 taona
Araka ny ilazàn'ny mpanao gazety iray azy, "notsaraina ho meloka noho ny faharanitantsaina, ny fahaizana, ny fahasahiana ary ny fahamendrehany," ireo mpikambana avy ao anatin'ilay vondrona mpikatroka sangany ety anaty tambajotra
Edward Snowden, ampamoaka 365 andro
Nanomboka ny 5 Jona 2013, betsaka ireo ampamoaka momba ny fanarahamaso erantany. Indro ny fitetezana ny sasany amin'ireo zavatra tena manandanja fantatray avy amin'ny ampamoaka nataon'i Snowden.
Afrika: Mampihontsona ny fahalalahan'ny gazety ve ny herin'ny Shinoa?
Nandefa tafatafa niarahana tamin'ny filohan'ny Reporters Sans Frontieres, Leonard Vincent maneho hevitra momba ny fihenan'ny fahalalahan'ny gazety ao Afrika nandritra ny taona 2007 ny BBC.
Fantaro Ny Zavamisy : Ny #LeyTelecom ao Meksika (Lalànan'ny fifandraisandavitra)
Hampitombo ny fahefan'ny fanjakana ilay tolodalàna mikasika ny fifandraisandavitra ao Meksika ary hametra ny fahafahan'ireo orinasam-pifandraisandavitra hanao sivana, hanao fanarahamaso ary hanao fanavakavahana amin'ny tambajotrany tsirairay avy. Fantaro bebe kokoa ny mikasika izany ary mandraisa anjara !
Ministra Maleziàna : “Hampikorotan-Tsaina Ny Olona” Ny Gazety Maro Loatra
Raha toa ny ankamaroan'ny firenena any amin'ny faritra mahita gazety voakatona noho ny fahitàna ny aterineto ho modely tokana, mitady ny mifanohitra amin'izany indray ireto vohikala ireto, na dia eo aza ny fanamby avy any ambony.
Ny Tontolon'ny Blaogy Siriana Tao anatin'ny Herinandro
Samy nanana ireo lohahevitra maro mahaliana noresahiny indray ireo blaogera tao anatin'ny tontolon'ny bilaogy Siriana tamin'ity herinandro ity.
Navadik'i Stella Nyanzi ho fitaovam-piadiana ve ny fivaviana? Notsaraina amin'ny resaka fahalalaham-pitenenana ny vehivavy feminista Ogandey
Amin'ny fikatsahany governemanta tsara tantana, "hentitra amin'ny tsikera ataony amin'ny governemanta Ogandey" i Stella Nyanza ary tsy matahotra ny hiady hevitra momba ny fady manodidina ny fananahana sy ny miralenta ary mijoro hiaro ny zon'ny LGBT.
Venezoela: Nahafatesana olona miisa telo ny hetsi-panoherana ary nihamafy ny fandrahonana ny fampahalalam-baovao
Manao fihetsiketsehana mba hitakiana ny famotsorana ilay mpianatra nosamborina tamin'ny hetsi-panoherana teo aloha izay nifandonana tamin'ny mpitandro ny filaminana sy ny tsy fahampian-tsakafo ny Venezoeliana. Voarara tsy hitatitra ny hetsi-panoherana ny fampitam-baovao.
Kabinetra Hazoboboka, mampiredareda ny afon'ny hatezeram-bahoaka any Zimbaboe
Niatrika ny tstindry tsy mitsahatra mba hisian'ny fiovàna, roa herinandro lasa izay dia nohavaozin'i Robert Mugabe, ilay mpitondra an'i Zimbaboe tratry ny fahirano, ny governemantany, saingy tsy nahavita kely akory mba hampihenana ny fijalian'ny firenena izay ravan'ny fitarihana gaboraraka sy toekarena tsy mahomby.
Vahiny tsy nampoizina tao amin'ny fanangonam-bolan'ny vondrom-piarahamonina Aurora foibe tao Budapest ny polisy
Milaza ny mpitantana ny foibem-piarahamonina Community center managers say the local municipality has been trying to shut Auróra down for years.