Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Avrily, 2019

Kiobà : Fisamborana ilay bilaogera Yoani Sànchez

Nosamborina tao amin'ny faritany atsinanan'i Bayamo izay nandehanany mba hitantarana ny fizotry ny fitsarana iray ilay bilaogera Kiobana Yoani Sánchez. Nanome vaovao ny tambajotra sosialy sy ny fampahalalam-baovao hafa na dia tsy mbola fantatra aza ny antsipiriany momba ny antony nisamborana azy.

Raràn'i India ny TikTok an'i Shina fa “manimba kolontsaina sy mandrisika pôrnôgrafia”

Noraràna ny olona ao India tsy hitroka ny TikTok, fampiasa iray miorina ao Shina malaza hizaràna lahatsary haingana.

Sina: Voatohitohina Ilay Rindrinafo Goavana

Naka nanaraka azy ilay filàna hanivan-tena mba hahatafavoahana velona ny fahataperan'ny Rivopanovàna Ara-kolontsaina tao Sina telopolo taona lasa izay. Raha toa ka efa afaka miresaka malalaka tsara ireo Sinoa —zo iray arovan'ny lalàmpanorenana Sinoa— mbola misy foana ireo andiam-pitsipika sy fenitra tsy voasoratra hamaritana ny fotoana sy ny tranga mahatafiditra ny mpanatrika.

Brezila, Mahavita Dingana Alohan'ny Hiantombohan'ny “Fiadiana ny ho Tompondaka Erantanin'ny Aterineto”: Nankatoavin'ny Antenimieran-doholona i Marco Civil

Omaly alina, nankatoavin'ny Antenimieran-doholona Breziliana ny lalàna manan-tantara "Marco Civil", ora vitsivitsy mialohan'ny nanombohan'ny NETmundial, fivoriana tena nandrasana mikasika ny fitantanana ny Aterineto, .

Maoritaniàna Bilaogera .Miatrika Fanenjehana ho Nanala Baraka Tamin'ny Filazàna Kolikoly

Nampangain'ny Minisiteram-bahoaka ireo blaogera roa ho nanaparitaka an'izay lazainy fa tatitra "diso" mikasika ny fisiana kolikoly maha-voarohirohy ny filoham-pirenena Maoritaniana.

India, Mafotaka ny Adin'ny Tenifototra Mialoha ny Fifanandrinan'ireo Kandidà Amin'ny Fifidianana Ho An'ny Lohataona 2019

Ahitana teny filamatra sy valinkafatra henjana ary tantara maro ny fampielezankevitra politika, satria hanao fifidianana ilay demokrasia goavana indrindra eto an-tany ny 11 Aprily ka hatramin'ny 19 Aprily 2019.

Fanenjehana Manoloana ny Tribonalim-Pitantanana: Atsaharo Ny Fanarahamaso Media Sosialy Ao Ejipta

Nitory teny amin'ny fitsaràna ireo vondrona mpiaro zon'olombelona ao Ejipta mba hampitsaharana an'ireo tetikasa an'ny ministeran'ny atitany mikendry ny hividy rindrambaiko iray hanaraha-maso ny fanehoankevitry ny daholobe sy ny fiainana manokana ety anaty media sosialy.

Notanan’ny Fampanoavana miaramila vonjimaika nandritra ny 15 andro ilay bilaogera Ejipsiana Alaa Abdel Fattah

Notanana ny Alahady 30 Oktobra (2011) ilay bilaogera Ejipsiana efa tranainy Alaa Abdel Fattah (@alaa) nandritra ny 15 andro taorian’ny nandàvany ny fakàn’ny miaramila mpanao fanadihadiana am-bavany azy , izay nitakiany ny zony hotsaraina eo anoloan’ny fitsarana sivily.

Manohy ny fitokonany tsy hihinan-kanina ny mpikatroka Emirati Ahmed Mansoor nogadraina

Migadra folo taona i Mansoor taorian'ny didy navoakan'ny fitsarana manameloka azy ho mamoaka torohay fôsika sy tsaho ao amin'ny media sosialy.

Mamelively mpianatra lisea iray mitsikera ny governemanta ny fampitam-baovao mpanohana ny fanjakana Hongroà

Niaritra fanaratsiana amin'ny fahaizany sy iharan'ny fanohintohinana ara-nofo mihitsy aza i Nagy, tamin'ny niantsoan'ny sehatra iray azy ho "makorelina".