Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Marsa, 2019

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Marsa, 2019

Nahoana ny Repoblika Islamika no matahotra an'i Nasrin Sotoudeh?

"Manafintohina", "tsy rariny", "devoly" sy "henatra mitabataba" no anisan'ireo teny nolazain'ireo mpiaro ny zon'olombelona sy Iraniana maro ao amin'ny media sosialy momba ny fandrenesena ny vaovao manafintohina fa voasazy higadra 38 taona an-tranomaizina sy kapoka karavasy in-148 i Nasrin Sotoudeh, Iraniana malaza mpiaro ny zon'olombelona.

Mihantsy Ny Fankahalan'i Makedonia Ireo LGBT Ny Hetsika Fanentanana ‘Olombelona Koa Ireo Mpankahala Pelaka’

Ratsy ny toe-draharaha mikasika ny zon'ny olona LGBT any Makedonia, miaraka amin'ny rafitra tsimatimanota ho an'ireo heloka bevava noho ny fankahalana atao an'ireo vitsy an'isa ara-pananahana ao amin'ny firenena.

Miezaka manara-baovao ao Venezoela? Ireto misy loharanom-baovao vitsivitsy azonao atokisana

Mahita fomba hanangonana, hikarakarana sy hanombanana vaovao amin'ny fombany manokana ny Venezoeliana.

Voampanga ho ‘niketrika ditra’, navotsotra ilay mpanao gazety Luis Carlos Diaz ao Venezoela

Faly ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices fa salama sy eo anivon'ny fianakaviany ny mpiara-miasa aminay. Hanohy hanara-maso ny raharahany isika amin'ny fivoaran'izany.

Nahemotra 10 andro ny famotsorana ilay Ejiptiana mpikatroka Alaa Abd El Fattah

Nanome antoka ny mpanohana ny fanentanana #FreeAlaa fa tsy tokony hampisy ahiahy intsony izay fanemorana izao.

Herintaona tsy nisy Aterineto : tsy afaka niditra an-tserasera ireo Tshadiana nanomboka ny volana Martsa 2018

Toa fahavononana ny hampiasa ity sivana ity ho toy ny fitaovana hanampenam-bava ny fahalalahan’ny olom-pirenena haneho hevitra sy ny fivezivezen’ny vaovao malalaka ao Tchad no tanjona.

Tsy hita tany Venezoela i Luis Carlos Diaz, mpanao gazety nomerika

"Iray amin'ireo endrika miavaka indrindra amin'ny asa fanaovan-gazetin'ny mpanohitra any Venezoela" i Luis Carlos .

Mitaky valinteny ireo mpikatroka iray volana taorian'ny famonoana ilay mpanao gazety mpanao fanadihadiana Ghaneana

Niantso ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety i Divela tamin'ny alàlan'ny WhatsApp fa misy "olo-malaza ao Ghana mikasa ny hanao ratsy azy" taorian'ny namoahana ny sariny tao amin'ny fahitalavitra .

Sangy Ratsin-dry zareo Rosiana Momba ny Sivana Anaty Aterineto

Namorona fomba saro-takarina sy tsy hampahazo aina an'ireo mpanivana, ary hatramin'ireo tranonkala mpomba an'i Kremlin ireo mpikatroka ao amin'ny RuNet mba hialàna amin'ny sivana sy ho famaliana bontana.

Nandroaka mpiasa ambony tao amin'ny orinasan'ny fifandraisan-davitra MTN i Oganda noho izy ireo lazaina fa mitsikilo

Nanamafy i Namaye fa natao fanadihadiana izy roa ireo nandritra ny "fotoana fohy" ary noroahana satria "nihevitra izahay nandritra ny fanadihadiana fa raha mbola mijanona [ao Oganda] ry zareo, dia mety hiteraka.... olana sy fahasahiranana bebe kokoa."