· Marsa, 2018

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Marsa, 2018

Kenya: Maneho Hevitra Momba Ny WikiLeaks Ny Bilaogera

  23 Marsa 2018

Niavaka tamin'ny fanambarana fohy sy henjana mamely ny Ambasadaoro amerikana  Michael E.Ranneberger ao Kenya noho ny telegrama WikiLeaks andiany farany avy amin'ny Masoivoho Amerikana ao Nairobi ny lahateny nataon'ny mpitarika, anisan'izany ny filoha Kenyana Mwai Kibaki, ny praiminisitra Raila Odinga sy ny filoha lefitra Kalonzo Musyoka ao amin'ny governemanta iaraha-mitantana.

Bangladesh: Ady Amin'ny Fiverimberenan'ny Fahantrana

  18 Marsa 2018

Raha mety ho foana amin'ny alàlan'ny asa mafy sy ny fahavononan'ny mahantra fotsiny ny fahantrana dia efa ela no foana ny fahantrana any amin'ny tany mahantra. Ireo mahantra any amin'ny tany andalam-pandrosoana no isan'ireo olona miasa mafy indrindra eto amin'ny planeta

Egypta: Milaza Zavatra Betsaka Ny Lahatsary

Miomana amin'ny andro faha-efatra amin'ny fihetsiketsehana ny governemanta Egyptiana. Nandefa teny fampilazana sy nizara lahatsary tamin'ny Aterineto ny mpikatroka. Nihetsika ny governemanta tamin'ny alàlan'ny fanakatonana ny tambajotra iray manontolo. Famintinana vetivety ireo lahatsary nalefa tao amin'ny Youtube mandrisika ny olona hanatevin-daharana ny hetsi-panoherana notontosaina ny andro Zoma.