Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2017

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jolay, 2017

Nitodika Tany Amin'ny Olan'ny Fanampenam-Bava ny Parlemantan'i Rosia

Nopotehin'i Kremlin. indray. ny fiafenan'anarana an-tserasera.

Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Voampanga Ho Manao Fampihorohoroana

Niharan'ny herisetran'ny manampahefana Bahrainita hatrany i Al-Saegh noho ny fikatrohany handala ny zon'olombelona.

Ny Tontolon'ny Bilaogy Toniziana sy ny Fifidianana Frantsay

Bilaogera Toniziana marobe no naneho ny fahalianany momba ny fifidianana filoham-pirenena Frantsay. Misy antony maro no mahatonga azy ireo liana amin'izany. Ara-tantara, nozanahan'i Frantsa nandritra ny 75 taona i Tonizia ary manana fifandraisana ara-pitiavana sy fankahalana ny firenena roa tonta, manjaka kokoa ny fitiavana noho ny fankahalana.

Bilaogy Bangla: Famahana Fady Sy Adihevitra

Manan-jo hanoratra ny mpanoratra rehetra, sy fahalalahana haneho ny hevtr'izy ireo. Saingy tsy midika izany fahalalahana izany fa afaka manoratra na inona na inona izy ireo. Misy fetrany ny fahalalahana. Mino manokana aho fa lohahevitra afaka hiadian-kevitra ny fivavahana. Saingy tokony hifanaja, marina ny adihevitra ary tsy mandratra ny hafa.

Iran: Kandidà Reformista Voaràra Tsy Hirotsaka Hofidiana

Nampihena ny fanantenan'izy ireo amin'ny fifidianana parlemantera amin'ny volana ambony ny Iraniana Reformista rehefa nesorin'ny manampahefana ny ankamaroan'ny kandidàn'izy ireo, anisan'izany ireo Solombavambahoaka sasany sy ilay "Rain'ny ny Repoblika Islamika", zafikelin'i Ayatollah Khomeini. Ao Iran, tsy maintsy mahazo fankatoavana alohan'ny hifidianan'ny vahoaka azy ny kandidà.

Syria: Hetsika Avotsory i Tariq

Malaza ny bilaogy Syriana amin'izao fotoana izao amin'ny fisian'ny famoretana hafa ataon'ny fitondrana Syriana amin'ny fahalalahana miteny. Saingy ny iray taminay indray tamin'ity indray mitoraka ity. Efa teo amin'ny enim-bolana teo ny raharaha Tariq no nanintona ny sain'ireo bilaogera - enim-bolana, mbola any am-ponja i Tariq.

Mpampianatra Oniversitera Thailandey Nampanantsoin'ny Miaramila

Mampatsiahy ny manampahefana ny Tambajotra Akademika Thailandey miaro ny Zo Sivily fa tsy mandràra ny olona hilanja sora-baventy ny lalàm-paorenana ao amin'ny firenena.

Matanjaka Hatrany Ny Mozikan'ny Fifaharana Ao Ethiopia, Na Dia Eo Aza Ny Famoretana

Ao anatin'ny hetsi-panoherana miroborobo sy ny herisetra famoretana ataon'ny governemanta, nanomboka niseho ampahibemaso sy nampiaka-peo ireo mpihira Afan Oromo izay nahatonga ny aingam-panahy ho an'ny hetsiky ny mpanohitra.

Rosia: “Ny Vato Vaovao Nasondrotry ny Tany”

Nandika ny santionany tamin'ny fifanakalozan-kevitra momba ny fomba ahazoana asa sy momba ny fianarana ao Rosia amin'izao fotoana i Lyndon Allin.

Shina: Reharehan'ny Chongqing

Nandratra ny reharehan'ny olom-pirenena Chongqing ny tatitra momba ny lalao baolina kitra avy amin'ny Zhang Xiaozhou.