Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Janoary, 2017
#SaveArash: Arash Sadeghi, Iraniana mpikatroka Miady Ho An'ny Zon'Olombelona — sy ny Ainy
Nitokona tsy hihinana hanina i Arash Sadeghi ny 23 Oktobra 2016 hatramin'ny 3 Janoary 2017. Mbola velona sy mahatsiaro tena izy, araka ny voalazan'ireo havana akaiky azy.
‘Manao ny Asany Mifanaraka amin'ny lalàna’ ireo Mpifehy Raha Nanivana ny Fampiharana Fandefasan-kafatra Nandritra ny Androm-pifidianana
Nilaza ireo mpanohitra ara-politika sy ireo mpikambana malaza ao amin'ny fiarahamonina sivily ao amin'ny firenena fa nandrahona ny fahalalahana miteny tao Montenegro tamin'ny fotoana tena nilaina izany ny fangejan'ny governemanta ny media sosialy
Nanokatra Tranonkalam-baovao ho Fiarovana ny Fahalalahan-Gazety ny Mpanao Gazety Zokiolona ao Hong Kong
Amin'ny fotoanan'ny korontana, tsy maintsy manavaka ny tsara sy ny ratsy isika; tsy maintsy mifikitra amin'ny zavatra mitombina isika rehefa misafotofoto ny fiarahamonina; tsy maintsy mihazona ny fizakantena amin'ny fomba matihanina isika ao anatin'ny tafio-drivotra.
“Ao Burundi, Mitohy Ny Fahasimbàn'ny Zon'olombelona, Tsy Maintsy Manova Tetika Isika Mba Hanairana Izao Tontolo Izao Amin'ny Zava-mitranga”
"Miteraka fahasarotana amin'ny ankapoben'ny fiainan'ny mponina ny fifandraisana henjana misy ao Borondi. Tsy maintsy tadiavina haingana ny vahaolana ho an'ny krizy ao Borondi"
Mandrahona Ny Fahalalahana Miteny Sy Ny Fanafenantsoratra Ny Lalàna Famaizana Vaovao Ara-Solosaina Ao Thailandy
"Ny fanomezana fahefana be loatra ireo manampahefam-panjakana mba hanao fitsarana manokana momba izay heverin'izy ireo ho fandikan-dalàna no fahadisoana lehibe indrindra tamin'ity fanitsiana ny volavolan-dalàna ity."
Voapetraka Ho Vakoka ny Taombaovao Bengali Manandratra ny Demaokrasia sy ny Fahasamihafana
Raha mbola velona koa i Bangladesh, dia hisy ity karazana fankalazana Taombaovao ity. Hisy ny fahafinaretana sy ny fetibe, Ny foaran'ny Taombaovao sy ny Mangal Shivajatra. Izany no endrik'i Bangladesh laika.
Mafana Fo Iray Nosamborina Noho Ny Fiampangàna Ho Nanompa Sy Nizara Lahatsoratra Momba Ny Mpanjaka Vaovao ao Thailand
Mpampiasa Facebook efa ho 2.500 no nizara ilay lahatsoratra, nefa ny polisy nisafidy mpikatroka mitaky ny famerenana amin'ny laoniny ny demokrasia any Thailand.
Asongadin'ny Fanafihana ny ONG Iray Miady Ho An'ny Zon'ny Mpiasan'ny Orinasa Makedoniana Mpanao Lamba Ny Loza Mananontanona ny Fiarahamonina Sivily
Ny fanafihana ny tranon'ny ONG iray izay manohana ny zon'ireo piasa amin'ny orinasan-damba, dia nampihena ny ezaka hanatsarana ny fepetra mahatsiravin'ny asa any amin'ireo orinasan-damba any Makedonia.
Iraniana Mpiaro Ny Zon'ny Sivily: Manohy Ny Fitokonany Tsy Misakafo, Manohitra Ny Nisamborana Ny Vadiny Noho Ny Fanoratana Tantara An'eritreritra
Nahatratra ny teboka faratampony ny fanentanana hamonjena ilay mpiaro ny zon'ny sivily Arash Sadeghi. Tao anatin'ny roa volana nanaovany fitokonana tsy misakafo, maro no manahy hoe ambivitra ny ain'i Sadeghi.
Fanambaràna Momba Ny Haren'ireo Serba Mpanao Politika
Nahatonga adihevitra namaivay tamin'ny aterineto sy ny haino aman-jery mahazatra ny vokatry ny fanadihadiana nataon'ny KRIK, tambajotran'ireo mpanao gazety mpanao fanadihadiana .