Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Desambra, 2016
Lasibatry ny Governemanta Sodaney ny Mpikatroka, Tampenam-Bava ny Fampahalalam-baovao Mitatitra Tsy Fankatoavam-Bahoaka

Nanomboka tamin'ny 27 Novambra ny hetsika tsy fankatoavam-bahoaka rehefa nesorin' ny governemanta ny fanampiana ara-bola amin'ny herinaratra, ny akoran'afo ary ny fanafody.
Nanatontosa Fanentanana Hanafoanana Ny Lalàna Manenjika Mpitrifana Nanamelohana Azy Ilay Bilaogera Rosiana

Nanao fanangonan-tsonia hanafoanana ny lalàna andininy faha- 282 ao amin'ny Fehezan-dalàna Ady Heloka Bevava Rosiana ilay bilaogera malaza, Nossik, voaheloka tamin'ity lalàna ity."
Filipiana Mpikatroka, Manao Fifadiankanina Ho Firaisankina Amin'ireo Gadra Noho ny Politika
"Olona miasa loha ho an'ireo sehatra atao an-jorom-bàla eny anivon'ny fiarahamonina izy ireny saingy gadraina noho ny fiampangàna foromporonina."
Niova Hevitra Momba Ny Fanerena Ny Google Ny Mpandrindra Ny Fampahalalam-baovao Rosiana

Ora maro taorian'ny nitateran'ny fampahalalam-baovao fa namoaka toromarika ny sampan-draharaham-panjakana mpandrindra ny fampahalalam-baovao, Roskomnadzor, hanerena ny Google hisoratra anarana indray ao Rosia na ho voasazy, dia niova hevitra ny solontenan'ny sampan-draharaha, nilaza tamin'ny roem.ru fa nandiso vaovao ny Izvestiya, gazety namoaka ny vaovao.
Manamafy Ny Fanereny An'I Google I Rosia

Namoaka toromarika manery ny Google mba hanova ny fisoratany anarana hatramin'ny faran'ny volana Martsa ny Roskomnadzor, sampan-draharaha mifehy ny fampitam-baovao Rosiana.
Mozambika: Mampiahiahy ny Mpiserasera Ny Tena Tanjon'ny Volavolan-“Dalàna Vaovaon'ny Fifanakalozana Elektrônika”
Niteraka ahiahy teo amin'ny olom-pirenena ao Mozambika noho ny tsy fahafantarana marina izay tena tanjony ny lalàna vaovao momba ny fifanakalozana elektrônika. Nolanian'ny Antenimieran'ny Repoblika vao haingana ity lalàna vaovao ity.
Manararaotra ireo Tahiry Manokana Ary Manamafy Ny Fisarahana Isan-tsaranga Ao Sina ilay Fampiasa Vaovao-n'ny Alipay, Hoy Ny Mpitsikera
''Na dia mila manitatra ny raharahany ara-barotra ety anaty tambajotra sosialy aza ilay orinasa, tokony mampiasa fomba tsaratsara kokoa izy nfa tsy zavatra mahamenatra toy izany.''
Na Teo Aza ny Fanafoanana, Mbola Be Fanantenana ihany Ny Mpanorina ilay Tranonkala Fanaovan-gazety Shinoa Nahazo Loka

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Catherine Lai ary navoaka voalohany tao amin'ny Free Press tao Hong Kong tamin'ny 12 Novambra, 2016. Zaraina ao amin'ny Global Voices eo ambanina fifanarahana fiarahamiasa ity dika eto ambany ity. Na eo aza ny fitazonana mitohy ireo mpanao tatitra ao aminy ary rehefa nogadraina indroa ny mpanorina ilay tranonkala fampahalalam-baovao…
Filma Sahisahy Miresaka Fifohazana Ara-pananahan'ny Vehivavy Indiana Iray Voampanga Ho Mamindra Fo amin'ny Fametavetana Zaza
Vao mainka miteraka olana bebe kokoa ity finiavana hametraka ho toy ny mandeha ho azy ny fihetsika tsy mendrika iray ity ao amin'ny firenena iharan'ny herisetra henjana matetika ny vehivavy sy ny ankizy.