Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Marsa, 2016
Ankehitriny, Mahazo SMS Ny Ray Aman-dreny Rosiana Raha Mikaroka Ny ISIS Ety Anaty Aterineto Ny Zanany ISIS Online
Rafitra rindrankajy vaovao iray no mampanantena fa hanaitra ireo ray amandreny Rosiana momba izay mahaliana ireo zanany amin'ireo resaka mahery fihetsika sy hetsiky ny vondrona ISIS hita ao anaty media sosialiny.
Netizen Report : Miady Amin'ny Facebook Momba Ny Fiainana Manokana Ny Vondrona Eoropeana
Manome topimaso iraisam-pirenena mikasika ireo fanamby, fandresena, ary fironana mipongatra momba ny zo amin'ny Aterineto manerantany ny Netizen Report ao amin'ny Global Voices Advocacy.
Mahitsy Be Ilay Mpiasan'ny Firenena Mikambana Tamin'ny Fanombanany an'i Hongria
Nasongadin'ny Mpampaka-teny manokan'ny Firenena Mikambana, Michel Forst, ny toe-javatra mahakivy atrehan'ireo mpiaro zon'olombelona any Hongria rehefa vita ny fitsidihana sivy andro nataony.
Nahare Ve? Niverina Ny Global Voices Podcast
Taorian'ny telo taona niatoana dia niverina ihany tamin'ny farany ny Global Voices Podcast. Amin'ity andiany ity izahay hitondra anareo ho any Meksika, Shina, Tajikistan, Makedonia ary Rosia.
Nosamborin'i Bahrain Niaraka Tamin'ny Zanany Vao Herintaona Monja i Zainab Al Khawaja, Mpikatroka Mafàna Fo
Nosamborin'i Bahrain androany niaraka tamin'i Abdul-Hadi, zananilahy vao 15 volana ilay mpikatroka mafàna fo, Zainab Al Khawaja. Fisamborana mitranga ao anatin'ny fotoana fankalazàna ny tsingerintaona fahadimy nahatongavan'ireo andian-tafika avy any Arabia Saodita sy ny Emirà Arabo Mitambatra hanorotoro ireo hetsipanoherana nitaky ny demaokrasia izay nahazo ny firenena
Tsy Handefa Mivantana Ny Fizaran-Dokan'ny Filma Avy Ao Hong Kong i Shina Noho Ilay Sarimihetsika Mangidy Fijery Mitondra Ny Lohateny Hoe ‘Folo Taona’
" Inona no tena mampatahotra amin'ilay filma? Nandoko eritreritra sy fomba fijery isankarazany ilay filma; mety ho teboka fiaingana hifandraisana sy hifankahazoana io.."
Nitombo Maro Dia Maro Ny Fangataham-Panesoram-Botoaty Nataon'ny Governemanta Rosiana, Hoy Ny Tatitry Ny Twitter
Araka ny filazan'ny Twitter, nandefa fangatahana 1735 ny governemanta Rosiana sy ny sampana ofisialy ao aminy teo anelanelan'ny volana Jolay ka hatramin'ny Desambra 2015 hanesorana votoaty amin'ny Twitter, in-25 avo heny noho ny tamin'ny tapany voalohan'ny taona 2015
Jereo Ny Akanjo Nanaovan'ireo Solontena Tibetana Tamin'ireo Fivorian'ny Kongresy Roa Tany Shina Tamin'ity Taona Ity
Tamin'ny kaoferansy amin'ity taona ity, niompana tamin'ireo pins misy ny sarin'ny Filoha Shinoa Xi Jinping izay miseho eny an-tratran'ireo solontena Tibetana, ireo mpisera amin'ny Aterineto.
Mpanakanto Mpanao Sary Mandefa Fanentanana Ety Anaty Aterineto Ho ‘Fanafahana Ny Media’ Ao Malezia
"Tsapanay fa tonga izao ny fotoana ho an'ny Maleziana mba hitakiana ny fahalalahan'ny media sy ny aterineto, raha jerena tamin'ireo fanafihana faramparany nanjo ny fahalalahana maneho hevitra eto Malezia."
Any Bahrain, Heloka Bevava Ny Asa Fanaovana Gazety
Voasambotra niaraka tamin'ireo ekipany i Anna Therese Day, Amerikana mpanao gazety, ary voaroaka tao amin'ilay firenena mikorontana raha teo am-pankalazàna ny tsingerintaona fahadimin'ny hetsika io firenena io.