Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Septambra, 2015
Nampandoavin'ny fitsarana rosiana noho ny ‘famakiana hafatr'olona manokana’ ao amin'ny Gmail ny Google

Resin'ny mpampianatra akademika iray ao Yekaterinburg lahatra ny fitsaranan'ny tanànan'i Moskoa ny amin'ny ampandoavana onitra 50 000 robla ($765) an'i Google noho ny 'fanitsakitsahana ny mahatsiambaratelo ny taratasy ifandraisan'olona' amin'ny alalan'ny fampiasana doka an'aterineto mahita lasibatra.
Nanjohy ny fitakiana hamantarana ny itoeran'ny rakitahiry ny Apple ka nanofa habaka foibem-pitehirizana rakitahiry ao Rosia

Nanapa-kevitra ny Apple hanaja ny lalàna rosiana famantarana ny itoeran'ny raki-tahiry ary nanofa habaka fitehirizana raki-tahiry iray miorina ao Rosia, hoy ny fampitam-baovao ao an-toerana.
Mahazo Fandrahonana Ho Faty Avy Amin'Ireo ‘Mpiambina ny Jihad’ Ireo Mpanao Gazety Mpitatitra Ao Mali
Mandrahona hamono ireo mpanao gazety miasa ho an'ny media vahiny izay mitatitra mikasika an'i Mali ny vondrona mpitolona iray .
Matson'i Shina Momba ny Ady Lehibe II : Manenjika Ireo Mpanakanto Tsy “Tia Tanindrazana” Ireo Mpandranitra
Nanaisotra ny sarin'ireo zanany kambana ny mpihira Taiwanezy teratany Amerikanina, Christine Fan, rehefa nahazo fankahalana nirarakompana tao anaty aterineto noho ny fizarany ny sarin'iretsy farany fa tsy ny an'ny matso ntaon'ny tafika.
Na eo Aza Ireo Fanoherana, Manosika Ny Fanaovan-dalàna Momba ny Hery Fiadiana, Izay Miteraka Resabe, I Japana
Eto alohan’ny Antenimiera. Aiza no hizoran’ity firenena ity, manontany tena aho? 15 Jolay 2015: andron'ny tahotra.
Taona Iray Lavitra An'i Siria

Inona no nitranga tamin'ny Siriana iray mpikatroka mafàna fo, sy ireo idealiny rehefa injay izy nialokaloka tany ivelan'ny fireneny rotiky ny ady?
16 Volana Aty Aoriana, Mbola Tsy Vita Ny Fitsaràna Ireo Mpitoraka Bilaogy Zone9

Mbola mitohy ny fitsarana ireo mpitoraka bilaogy zone9 ary sakanana ireo havany tsy hahazo vaovao momba ny fitsarana. Manakantsakana ny fandrosoan'ny marina ny fanemorana lava any amin'ny fitsarana. Vakio ny tatitra farany nataon'i Endalk Chala.