Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jolay, 2015
Fihetsehampon'ny Ethiopiana Anaty Fiaraha-Mifaly na Fiaraha-Miory, Tsikera Tamin'ny Famotsorana ireo Bilaogera
Sady nampiseho hafaliana no nampiseho fahamatrohan-tava ny mpanohana ny bilaogy iraisana Zone9 tamin'ny fanafahana ny sasantsasany -- saingy tsy izy rehetra -- amin'ireo blaogera hivoaka ny fonja tamin'ny herinandro.
VAOVAO MAFANA: Mpanao Gazety Ethiopiana Dimy Navotsotra, Saingy Mbola Am-ponja ny Ambiny
Ao anatin'ny firotsahan'ny hafaliana sy ny tsi-finoana tamin'ny fanafahana ireo bilaogera, NIfandrisika ny mpanohana hitazona ny "tantrummin" hafatra mandrapahatongan'ny tsy fisian'ny mpanao gazety migadra intsony ao Ethiopia.
Mety Tsy ho Mafy Be Ihany Hay ny Onitra Aloa Raha Misy Mandika ny “Zo Hohadinoina” Rosiana
Manolo-kevitra ireo Mpanao lalàna fa rehefa tsy manaiky ny hanatontosa ny didim-pitsarana ihany ny mili-pikarohana hamafa ireo rohy voatondro ho mifanaraka amin'ny arofenitry ny "zo hohadinoina" vao hosaziana onitra.
Qatar: Tonian-Dahatsoratra Saika Nidiran'Angano Noho Ny Resaka “Kama Sutra”
Inona no ataon'ny tonian-dahatsoratra iray ao anatin'ny firenena mpifikitra amin'ny nentin-drazana any amin'ny Helodrano Arabo rehefa misy sary miresaka "kama Sutra" nivoaka tao amin'ny gazetiny? Ary ny zava-dehbe indrindra, ahoana no fandraisan'ny vahoana izany?
Fizotran'ny Tantara: Mpikatroka 14 Voatazona ao Thailandy Noho ny Fanoherana ny Fitondra-Miaramila
Niteraka fahatafintohinana tao amin'ny firenena ny fisamborana sy ny fitazonana ireo mpikatroka 14 mpanohitra ny fitondra-miaramila ao Thailandy. Nahatonga ireo mpampianatra sekoly ambony hiantso amin'ny famotsorana tsy misy hatak'andro ireo mpikatroka ihany koa izany.
Mianatra Momba ny Lantern Fitaovana Miady amin'ny Fanampenam-Bava
Nifampiresaka tamin'ny GV Advox i Adam Fisk, mpanorina sy mpandrafitra rindrambaiko nanao ny Lantern, sy i Maryam Abolfazli, tompon'andraikitra lehiben'ny fampiasana ny Lantern hahalalana bebe kokoa momba ity fitaovana ity.
Steven Salaita: Nahazo Asa Ao Amin'ny Anjerimanontolo Amerikana Ao Beirut, Miresaka Ireo Politikan'ny Mainty Hoditra Sy Ny Firaisankina Amin'i Palestina
Taorian'ny fandàvana ny hitànany andraikitra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Illinois noho ireo bitsika miaro ny Palestiniana, i Salaita no ho lasa Edward W. Said lehiben'ny Fianarana momba ny Amerikana Studies ao amin'ny Anjerimanontolo Amerikana ao Beirut
Iraniana Mpanao Gazety Ahmad Zeidabadi Nalefa An-Tsesintany Rehefa Avy Nigadra Enin-Taona
Zeidabadi, izay niasa tamin'ireo gazety reformista, dia voampanga tamin'ny 2009 no nanao “propagandy manohitra ny fitondrana,” “fivoriana sy fifandonana hanao rotaka taorian'ny fifidianana filoham-pirenena,” ary “fanevatevana ny Mpitarika Faratampony.”