Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Desambra, 2013
Korea Atsimo : Voampanga Ho ‘Mpomba ny Tavaratra’ Ny Pretra Katolika iray Nitsikera Ny Governemanta
Pretra katolika iray nitsikera tsy nihambahamba ny filohan'i Korea Atsimo tamin'ilay fampielezan-kevitra nahamenatra nataon'ny governemantany no nolazaina fa 'mpomba ny Tavaratra' sy nanaovana fanadihadiana.
Ny Tambajotran'i Kaokazy: Bilaogeran'i Dagestan Rasul Kadiev
Rasul Kadiev dia mpisolovava, teraka sy lehibe tao Makhachkala, Dagestan. Matetika ao anatin'ireo bilaogera dimy voalohany mavitraika ao amin'ny faritra, manoratra amin'ny teny rosiana izy ary miserasera amin'ny LiveJournal.
Nalaina An-keriny Tao Syria Ilay Mpikatroka Tony Fihetsika Razan Zaitouneh Sy Ny Ekipany
Mpikatroka efatra, anisan'izany ilay mpikatroka tony fihetsika malaza manerantany Razan Zaitouneh, avy ao amin'ny Ivotoeran-tahirim-pandikan-dalàna [Violations Documentation Center (VDC)] ao Syria no nalain'ireo lehilahy misaron-tava mitondra fitaovam-piadiana an-keriny, izay niteraka ny antso famotsorana azy ireo avy hatrany.
Tambajotran'i Kaokazy: Bilaogera Ao Grozny, Ali Suleymanov
28 taona i Ali Suleymanov, mpahay maritrano sy mpanaingo trano teraka tao Tsetsenia, nandany ny fahatanorany tao amin'ny faritr'i Moskoa, nandia fianarana tao ary niasa toy ny mpanaingo ivelan'ny trano
Masoivohom-Baovaom-Panjakana Rosiana Mahazo Fanavaozana Mifanaraka Amin'izay Ilain'ny Mpitondra
Tsy ho tafaboaka velona amin'ny ririnina ny iray amin'ireo masoivohom-baovao diso fantatra loatra ao Rosia, RIA Novosti. Teo am-pifohazana no nahitan'ireo mpiasan'ityy masoivohom-baovao iraisam-pirenena ity, izay an'ny fanjakana, ny didy vaovao avy amin'ny fiadidiana ny lapam-panjakana 'fanafoanana' ny fisian'izy ireo
Espaina: Lalàm-Piarovana ny Olom-pirenena sy Fampihenana ny Zo Fototra Sivily ?
Volavolan-dalàna ahitana andianà fepetra mamely ireo fihetsiketsehana sivily sy karazam-panoherana ao amin'ny firenena.
Tambajotran'i Kaokazy: Bilaogera Vondro-Tafika Manokana, Hard Ingush
Monina ao Ingushetia i Hard Ingush izay milaza tena ho manamboninahitra mpampihatra ny lalàna ao amin'ny Vondro-Tafika Manokana. Tao anatin'ny roa taona izay dia izy no lohalaharana ao amin'ny tontolom-bilaogin'i Kaokazy avaratra.