· Jolay, 2013

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jolay, 2013

Fifidianana Ao Kambodza: Latsa-Bato Ao Amin'ny Facebook

  12 Jolay 2013

Mampiasa Facebook am-pahavitrihana ireo mpiserasera Kambojiana mba hiresahana, hiadian-kevitra sy hizara vaovao momba ny fifidianana solombavambahoaka atao amin'ny 28 Jolay. Mandritra izany, mampitombo ny fisiany ao amin'ny tambajotra sosialy malaza koa ireo antoko politika mba hisarihana ireo tanora mpifidy. Niaiky ny fahadisoany tamin'ny fanambarany vao haingana i Moses Ngeth, mpikatroka...

Manamarika ny ‘Telo Andron'ireo Voafonja’ ireo Saodiana fianakavian'ireo Voafonja

Nanamarika ny Andro Fahatelo ho an'ireo Voafonja ny fianakavian'ireo Saodiana voatàna am-ponja, mba ho fanoherana ny fitazonana tsy ara-drariny ireo havany. Iray amin'ireo firenena mbola mandàla ny fitondrana mpanjaka tsy refesi-mandidy eran'izao tontolo izao i Arabia Saodita sady manana ny isa tsy azo anoharana amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, izay misy olona mihoatra ny 30.000 voatàna tsy an-drariny.

Miala Amin'ny Maha-Filohan'ny Anjerimanontolo Azy Fa Marary Mafy Ny Rain'ilay Rindrimbe Aro Afo Goavana Ao Shina

  07 Jolay 2013

Fang Binxing, manampahaizana manokana amin'ny fiarovana ny torohay, nomena solon'anarana hoe “rain'ny Great Firewall - Rindrimbe Aro Afo Goavan'i Shina”, dia niala tamin'ny toeran'ny filohan'ny Anjerimanontolon'i Beijing misahana ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra. Nampitraotra ny tao anaty aterineto ary nahatezitra ny vondrom-piarahamonin'ny manampahaizana mikasika ny Aterineto ny fanapahan-keviny tampoka ny hiala--nataony nandritra ny kabariny fanokafana taom-pianarana teny amin'ny anjerimanontolo.

St. Kitts & Nevis: Eo Am-Panoherana ny Praiminisitra

  07 Jolay 2013

Tsy fahita firy ao amin'ny politika any Karaiba, izay masiaka ny firaiketam-po amin'antoko, saingy tafakatra avo kosa ny fifanenjanana politika ao St. Kitts and Nevis taorian'ny fialan'ny minisitra zokiolona roa tamin'ny Antokon'ny Mpiasa St. Kitts and Nevis mitondra amin'izao fotoana izao izay misy ny Praiminisitra Denzil Douglas. Izany fihetsika izany...

Tsipahin'i Shina Ny Fiampangana An'i Edward Snowden Ho Mpitsikilo

  02 Jolay 2013

Nitodika tao amin'ny gazety Guardian indray i Edward Snowden, mpanao ampamoaka nampahafantatra momba ilay fitsikilovana ankapobeny ny Aterineto nataon'ny governemanta Amerikana, ka hisahana ny famaliana ireo fanontaniana an-tserasera (fanontaniana-valiny) indray amin'ity indray mitoraka ity, taorian'ny filazan'i Shina fa tsy mpitsikilo ho an'io  firenena io izy. Tsy nahateny nandritra ny nampalaza...