Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Mey, 2013

Fiambenan'ny Media Sosialy Ny Fifidianana Manan-tantara Ao Pakistana…

Satria miha-manantona ny tetezamitany demokratika voalohany eo amin'ny fitondràna i Pakistana miaraka amin'ireo fifidianana manan-tantara ho an'ny firenena afaka andro maromaro, amporisihan'ireo media sosialy ny vahoaka Pakistane mba handray anjara mavitrika amin'ny fifidianana.

Bahrain: Mpisera Enina Nogadraina Noho Ny Fanevatevana Mpanjaka

Sazy herintaona antranomaizina avy no azon'ireo mpisera Twitter enina avy amin'ny fitsarana Bahrainita androany noho ny fanevatevana ny mpanjaka Hamad bin Isa Al Khalifa tamin'ny habaka bilaogy madinika. Araka ny tatitra nataon'ny Sampam-pahalalambaovaon'ny governemanta Bahrainita, “tranga dimy isan-karazany ” no niampangàna ireo “enina voarohirohy”, izay “mahakasika ny fampiasana tsy ara-drariny ny fahalalaham-pitenenana sy fanalam-baraka...

Tafatafa Tamin'i Makaila Nguebla, Tsadiana Mpanao Gazety, voaroaka Avy Ao Senegal Ho Any Ginea

Noroahan'ireo manampahefana senegaley ho any Ginea ny 8 may 2013 teo ilay mpanao gazety Makaila Nguebla. Nanazava mikasika io izy nandritra ny tafatafa iray natao taminny

Voatsoka Tao Amin'ny Sina Weibo Ilay Shinoa Mpanoratra Bilaogibitika Malaza

Nofafana tsy ho eo amin'ny tranonkala ny kaonty Sina Weibo an'i Murong Xuecun, iray amin'ny mpanoratra ao Shina anisan'ny malaza indrindra ao amin'ny firenena eo amin'ny fitsikerana ny fanaovana sivana, ka izany famafana izany dia ahiana ho ezaky ny governemanta hanenjika ny siosion-dresaka an-tserasera amin'ny fanaovana ho lasibatra ireo mpiserasera...

Fahafatesana Nampiahiahy Tovovavy Niteraka Hetsi-Panoherana Tsy Fahita Firy Ao Beijing

Olona an'arivony no nidina an-dalamben'i Beijing tamin'ny 8 Mey 2013, ho setrinan'ny fahafatesana mampiahiahin'ilay tovovavy mpiasa nifindra monina antsoina hoeYuan Liya

LAHATSARY: Famoretan'ny Polisy Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tamin'ny 1 Mey

Olo-tsotra 25 sy polisy 22 no naratra nandritra ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny polisy Tiorka sy ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 1 Mey tao Istanbul, lehilahy iray no voalaza fa jamba ny masony ilany satria tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso ary tovovavy iray 17 taona kosa naratra teo amin'ny lohany ka nahatonga azy tsy nahatsiaro tena...