Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Mey, 2012

Korea Atsimo : Fanaraha-maso Tsy Manara-dalàna Atao Ny Mponina Sy Ny Mpanentana Fandaharana

Mirehidrehitry ny fanakianana ny Lapan'ny Filoha ao Korea Atsimo noho ny fanaraha-maso tsy manara-dalàna nataony an'ireo ny olontsotra. Ilay raharaha izay niantomboka taminà fanaratsiana nataon'ireo antokon'ny mpanohitra, dia lasa nihombo be ankehitriny ary dia notondroina mihitsy ho ny Tantara Ratsy Watergate Koreana [ko]. Ireo Mpanentana fandaharana izay mampiantrano hetsi-panoherana manohitra...

Kondwani Munthali: Bilaogeran'ny Taona ao Malawi

Sambany teo amin'ny tantaran'ny media ao Malawi no ekena ho fanao manana ny anjara toerany eo amin'ny fanaovan-gazety ny famahanana bolongana. Izany no nanaraka ny fanomezandoka ilay bilaogera sady mpanao gazety Kondwani Munthali niarahana tamin'ny Lokan'ny famahanam-bolongan‘ny taona avy amin'ny Media Institute of Southern Africa (MISA). Ao anatin'ny andro fankalazana ny Andron'ny...

Iran: Tsy Voakapoka in-25 Noho Ny Nanoritsoritany Mpanao Politika Ilay Mpanao Sariitatra

Voasazy [fa] hahazo kapoka 25 noho ny nanoritsoritany ilay mpikambana parlemantera teo aloha ilay mpanao sariitatra Iraniana, Mahmoud Shokraye. Nisy ny fanentanana an-tserasera ho fanohanana azy

Rosia: Ustream.tv Voatafika Noho Ilay Bilaogera Rosiana

Ny marainan'ny 9 Mey 2012, nisy olo-tsy fantatra nanafika tamin'ny alalan'ny DDoS (Distributed Denial of Service) ny vohikala mpikarakara mivantana Ustream.tv. Araka ny nolazain'i Victoria Levy avy ao amin'ny Ustream.tv, avy amin'ny IPs an'arivony, miorina any Rosia, Kazakhstan ary Iran ny fanafihana. Nitodika tany amin'ny mpisera iray manokana [ny fanafihana]...

Maoritania: Tafihan'ny Mpitandro Ny Filaminana Ny Mpanohitra

Noravain'ny mpitandro ny filaminana tamin-kerisetra vao marainan'ny 3 mey ny sit-in nataon'ny mpanohitra tao Nouakchott. Io no andia-pihetseha-panoherana farany indrindra nitranga tany Maoritania.

Tonizia: Lehibenà Foibem-pahitalavitra Enjehana Fa Nandefa Ny “Persepolis”

Ny 3 May no voatondro hamoahan'ny fitsarana Toniziana ny didy tamin'ny fitsarana an'i Nabil Karoui, tompon'ny fantsom-pahitalavitra tsy miankina Nessma TV, izay enjehina ho namoaka ny sarimiaina Persepolis novokarin'i Marjane Satrapi.

Kiobà: Aiza Ny Fahalalahan'ny Fanaovan-Gazety?

Andron'ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ny andro androany (3 Mey 2012) – saingy eo amin'ny tontolon'ny bilaogy ao Karaiba, mpamahana bolongana vitsy an'isa no hany mba naneho hevitra mikasika ny lohahevitra. Nandefa vaovao mikasika izany andro izany ny Notes from the Cuban Exile Quarter, izay nanazava hoe:’ Nanambara ny Firenena Mikambana tamin'ny 20 Desambra 1993 fa ny...