· Janoary, 2012

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Janoary, 2012

Global Voices Amin'ny Teny Frantsay : Ny Safidin'Ireo Mpandika Teny Ny Taona 2011

Ny taona 2011, ireo mpandika teny an-tsitrapo ao amin'ny Global Voices izay miteny Frantsay dia nahavita nandika lahatsoratra an-jatony ary nampahafantatra ny vaovao manerana izao tontolo izao ary tianay ny hiteny hoe "Misaotra!". Nanontanianay hoe inona ny fandikàna nanamarika azy ireo indrindra, nandritra iny taona lasa iny. Ireto ny safidin'ireo mpandika teny Frantsay!

Rosia : Tsy Nahavita Nifankahazo Ny Mpanohitra Tao Saint-Petersbourg

Ireo hetsi-panoherana talohan'ny fifidianana ny volana Desambra 2011 dia ahitàna karazany roa : 'Mpanohitra matihanina' sy ireo mponina velom-panahiana. Tao Moscou, ireo karazany roa ireo dia nahavita nivondrona mba hanomana ny iray amin'ireo hetsika am-pilaminana isan'ny lehibe indrindra teo amin'ny tantaran'ny firenena. Tao Saint-Pétersbourg, na izany aza, ilay famoriam-bahoaka dia nivadihan'ny iray tamin'izy ireo. Maria Lelyuk dia nanadihady ny fanehoan-kevitr'ireo mponina.

Maraoka: Noafahana Ilay Mpiangaly Rap

Mouad Belghouat na “Al Haked” (Ilay Tafintohina), Artista mpiangaly rap 24 taona mpitsikera ny fitondram-panjaka Maraokana, dia noafahana ny fonja, izay nitazonana azy hatramin'ny volana Septambra, ny zoma lasa teo. Ny heloka ofisialy iampangana an'i Mouad moa dia ny fidarohana mpanao fihetsiketsehana mpiaro ny fitondrana saingy ny mpanohana azy kosa...

Kamerona: Nosamborina Fa Voampanga Ho Mpangalatra Ilay Mpanoratra sady Mpamaha-Bolongana Enoh Meyomesse

  15 Janoary 2012

Enoh Meyomesse, mpanoratra Kameroney no sady mpamaham-bolongana no voasambotra tamin'ny 22 Novambra 2011, tao antseranam-piaramanidina Nsimalen ao Yaoundé, ao Kamerona, raha avy tany Singapore izy. Nampangain'ny fitsarana ady miaramila Bertoua, ao atsinanan'ny firenena,  ho nangalatra izy ka notazomina tao amin'ny fonjan'i Nkondengui ao Yaoundé, izay efa feno hipoka araka ny fanadihadiana nataon'ny Amnesty...

Tonizia: Ny Sivana sy ny Fahalalahana Haneho Hevitra Nandritra ny Taona Lasa

Fahavalon'ny fahalalahana maneho hevitra ny filoha  Toniziana teo aloha Zeine El Abidine Ben Ali. Noho ny tetikadiny mavesa-danja, niezaka nanampim-bava ireo rehetra tsy mitovy hevitra aminy foana ny fitondrany. Betsaka ny fandaniana nataon'ny Sampan-draharaha Toniziana misahana ny Aterineto (fantatra amin'ny fanafohezan-teny hoe ATI) mikasika ny sivana atao amin'ny aterineto, eo...

Ejypta: Navoaka Ny Fonja ilay Mpamaha Bolongana Maintimolaly Alaa Abdel Fattah

GV Mpisolovava  03 Janoary 2012

(Lahatsoratra navoaka voalohany tamin'ny 27/12/2011) Araka ny didy navoakan'ny Fitsarana Ady Heloka Bevava, noafahana ihany ilay mpamaha bolongana malaza Alaa  bdel Fattah taorian'ny fitazonana azy vonjimaika nandritra ny 56 andro. Tafahoana tamin'ny fianakaviany sy ny zanany lahikely vao 20 andro izy, teraka io nandritra ny fotoana nitazonana azy tany am-ponja....