· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Septambra, 2011

Kambodza: Manao Fihetsiketsehana Hiarovana ny Ala ny ‘Avatar’

  13 Septambra 2011

Niakanjo sy nihaingo tahaka ny foko Na'vi ao amin'ilay sarimihetsika Avatar, nanohitra ny tetikasa fanadiovana ny ala Prey Lang izay hosoloina toera-pambolena sy toera-pitrandrahanana ny tambanivohitra Kambodziana. Prey Lang no ” ala lehibe midadasika indrindra  eo amin'ny tany lemaka sy sisa tavela ao Kambodza sy ny saikanosy Indoshina.” Tsy isalasalana fa Prey...

Angola: Lahatsarin'ny Famoretana Ny Fihetsiketsehan'ny Tanora Tao Luanda

  06 Septambra 2011

Ny Asabotsy 3 Septambra 2011 dia nisy tanora teo ho eo amin'ny 200 teo no nivory tany Luanda, Angola ho fanoherana ny tsy fahampian'ny fahafahana sy ny fitondran'ny Filoha José Eduardo dos Santos nandritra ny 32 taona. Araka ny nolazain'ny vavolombelona dia niafara tamin'ny fikapohan'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana izany fanoherana izany.

Ejypta: Fandresen'ny Sivily Manoloana ny Tribonaly Miaramila

Nitsahatra kely tamin'izay nataony an-tserasera sy eny an-kianja ny mpikatroka – hanairana ny fisian'ny sivily hotsaraina eny amin'ny tribonaly  miaramila, taorian'ny revolisiona Ejipsiana. Taorian'ny fisamborana ireo vondrona mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny kianja Tahrir ny alin'ny 9 Martsa, vondrona mpitolona, mpanao gazety, ary mpisolovava no niray hina amin'ny fandraisana andraikitra mba hanampy ireo...

Libya: Bilaogera Eo Anelanelan'ny Jadona Sy Ny Ady

  01 Septambra 2011

Efa ho enim-bolana izay no nanombohan'ilay fanoherana tao Libia. Ahoana no niainan'ireo Libiana ny sehatry ny bilaogy talohan'ny revolision'ny 17 Febroary ary ahoana ny fizotran'izany ny volana vitsivitsy farany teo? Fozia Mohamed dia nanara-maso akaiky ny tontolon'ny bilaogy hahafahany mizara izany amintsika.

Libya: Ny Fanafahana an'i Tripoli

Tamin'ny 20 Aogositra 2011, no nanomboka ny Hetsika ara-miaramila Mermaid Dawn (zazavavindrano fiposahan'ny masoandro) hanafahana an'i Tripoli ka niantsona ny Allahu Akbar (Lehibe ny Tompo!) hatrany amin'ny moské an-jatony niely manodidina ny tanàna. Ity no fanairana nifanarahana izay nandrasan'ireo mponina ao Tripoli mba hitsanganany toy ny olona iray manoloana ny ratsy....