· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Aogositra, 2011

Ejipta: Ny enti-milaza “mi-mubarak”

Tsikaritry ny faribolana Ejipsiana an-tserasera fa misy itovitovizana ny zavanitranga tany Le Caire sy ny faritry ny Helodrano (Bay Area) rehefa nopihan'ny fitaterana any San Francisco ny fitaovana fampiseraserana amin'ny alalan'ny finday ho aroriaka amina fihetsiketseham-panoherana iray.

Brezila: Reharehan'ny ‘Hétéro’ sa Tsy Fandeferana ny ‘Homo'?

  16 Aogositra 2011

Ny 2 Aogositra 2011, ny filankevitry ny tanànan'i Sao Paulo, Brezila, dia nametraka Andro Ho An'ny Tsy Mitovy Mifanambady, hetsika iray hankalazaina isaky ny Alahady fahatelo amin'ny volana Desambra. Manontany ireo mpampiasa aterineto sorena hoe: misy dikany ve ny hanokànana andro iray ho anà maro an'isa ara-tsosialy izay tsy nizaka akory zavatra tsy rariny na dia kely aza?

Rosia : Bilaogera Mahita Mpitifitra An-dàlambe

Akon  13 Aogositra 2011

Nalaky be tokoa ny valinteny avy amin'ireo bilaogera tao amin'ny aterineto Rosiana taoroan'ny fampakàrana lahatsoratra sy vaovao momba an'i Dmitry Ternovsky , mpaka sary fanta-daza sy bilaogera[ru] izay nisy nitifitra tsy ela akory izay teny an-dàlambe tao atsimo-atsinanan'i Mosko. Milaza ny antsipirihan'ny tantara i Ashley Cleek.

Chile: Polisy sy Mpianatra Nifanandrina Tanaty Fihetsiketsehana Momba ny Fanabeazana,Tsy Nahazoana Alàlana

  09 Aogositra 2011

An-jatony ireo Shiliana mpianatra, nitaky ny fanavaozana ny rafi-panabeazana azy ireo, no nifampitàna tamin'ny mpitandro filaminana avy amin'ny polisy satria nanao hetsika tsy nahazoana alàlana izy ireo tamin'ny Alakamisy 4 Aogositra 2011, nanerana ny afovoan-tanànan'i Santiago renivohitra. Ao amin'ny Twitter, ilay hetsika dia tafakatra ho amin'ny toeran'ny lohahevitra tena resahana be ao an-tanàna noho ireo mpianatra mbola maneho ny hatezerany tsy mitsaha-mitombo.

Togo : Miampànga Ny Fanitsakitsahana Ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Ireo Togole Mpanao Gazety

  08 Aogositra 2011

Nivelively ny rarivato natao ho làlana ireo togole mpanao gazety tamin'ny Sabotsy 06 Aogositra mba hanoherana ny fandrahonana ho faty mahazo ny sasany amin'ny naman'izy ireo. Tamin'ny Alarobia 03 Aogositra no nalefan'ny fikambanana "SOS Journaliste en danger"(Vonjeo ny mpanao gazety fa tandindonin-doza) ny antso, tao Lomé. Ireny fandrahonana ireny dia avy amin'ny Masoivohom-pitsikilovanam-pirenena na "Agence nationale de renseignement (ANR)" ary drafitra ikendrena mihitsy ny «hanohintohinana ara-batana ireo mpanao gazety, indrindra amin'ny famoronana loza sarintsariny, ny fanapoizinana, ary ny famoronana antontan-taratasy isan-karazany etsy sy eroa». Sylvio Chombey no manazava:

Indonezia: Manavao Ny Tetika Hifehezana Ireo Media Sosialy Ny Minisitra

  07 Aogositra 2011

Tifatul Sembiring, Ministry ny IT sy ny Fifandraisana any Indonezia, izay tsy dia ankasitrahan'ny olona loatra, dia nilaza fa tokony ho matotra ny fifehezana ny vohikala media sosialy tahaka ny Twitter sy Facebook satria azo ampiasaina hanakorontanam-panjakàna. Niteraka resa-be ny fanambaràny, indrindra teo anivon'ireo mpampiasa aterineto.

Koety: Mampanidina “Balônin'ny Fahafahana” ny Bidun

Iray volana lasa izay, nanatontosa telo andro fanentanana "amadihana ny sarintavan ao amin'ny Twitter" hanairana ny famoaham-baovao sy hampisongadina ny momba azy ireo eo anatrehan'izao tontolo izao ny vondron'olona tsy manana zom-pirenena na inona na inona. Tamin'ity zoma ity dia hetsika hafa indray no nataony nampanidina balônina ho eny amin'ny rivotra, ary miantso azy ireo ho ny "balônin'ny fahafahana". Mizara amintsika ny tantara i Mona Kareem.