· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Jolay, 2011

Malezia: Tsakoahan'ny fihaonambe Bersih 2.0 ny governemanta

  14 Jolay 2011

Ny nananganana azy dia ny hisian'ny fanavaozana ny lalam-pifidianana saingy ilay fihaonambe goavan'i Malezia Bersih naparitaky ny polisy tamin'ny fomba mahery vaika dia niofo ho hetsika politika mampanahy ny fitondrana sy ny fahamarinan-toerany. Bersih ankehitriny no iantsoan'ny ankamaroan'ny olona any Malezia ny revolisiona

Syria: Manao Hetsika Ho An'i Anas Maarawi ny Bilaogera

Anas Maarawi no bilaogera Syriana farany naiditra am-ponja. Nosamborina tao an-tanànany ao Kafarsouseh ao Damas izy ny 1 Jolay 2011, ka tsy nahenoam-baovao intsony ny momba azy nanomboka teo. Bilaogera fanta-daza ao Syria sy any ivelany i Anas. Ankoatra ny bilaoginy manokana Anas Online, dia misahana bilaogy momba ny haitao sy tetikasa maromaro...

Malezia: Fandrarana famoriam-bahoaka mitady fifidianana madio

  07 Jolay 2011

Averina indray ny famoriam-bahoaka lehibe  Bersih tao Malezia tamin'ny taona 2007. Bersih (Vondrona ho an'ny fifidianana marina sy madio), ONG mpitolona maleziana, no mikarakara ny Bersih 2.0, izay fantatra fa atao amin'ny 9 jolay 2011, ka hisy ny filaharambe ataon'ireo mpiaro ny fifidianana madio manerana an'i Kuala Lumpur alohan'ny hanomezana...