· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Marsa, 2011

Yemen: Hafatra Fandrahonana Ho Faty Nahazo Ilay Mpitoraka Bilaogy, Afrah Nasser

Mpitoraka bilaogy sady mpanao gazety Yemenita, Afrah Nasser, naharay hafatra fandrahonana tao amin'ny Facebook tamin'ny 13 Martsa ary nanapa-kevitra ny hamoaka izany tao amin'ny bilaoginy “mba ho izao tontolo izao no hamaky azy“. Ny hafatra fototra dia tamin'ny teny Arabo fa nadikany ho teny Anglisy, niteraka valinteny feno ahiahy avy amin'ireo namana maro tao amin'ny aterineto.

Kamerona: Resaka noho ny fandrarana ny SMS-to-Tweet

  15 Marsa 2011

Ho tsaroana noho ny lafiny haitao kokoa ny andro manerantany ho an'ny vehivavy 2011 any Kamerona. Nanambara tao amin'ny valan-tserasera i Bouba Kaele,  tompon'andraikitra misahana ny dokambarotra ao amin'ny orinasan-tserasera Afrikana Tatsimo miorina any Kamerona MTN fa noraran'ny fitondrana Kameroney ny fampiasain'ny mpanjifan'ny MTN ny fidirana amin'ny twitter amin'ny alalan'ny...

Azerbaijan: Maro Ny Fihetsiketsehana, Maro Koa Ny Fisamborana…

  13 Marsa 2011

Taorian'ny hetsi-panoherana nataon'ireo tanora mafàna fo omaly tao Baku, renivohitr'i Azerbaijan, nanao ny azy koa androany ireo mpanohana ny antoko mpanohitr'i Musavat. Nalaina tahaka ihany koa tamin'ny hetsiky ny mpandàla ny demaokrasia tany Ejipta sy Tonizia, tsy tena goavana toy ireny ilay hetsika fa raha ny vivavina dia vitsivitsy ka hatramin'ny anjatonjatony eo ny olona tao, saingy nafonja ihany ilay izy.

Yemen: Mpanao Fihetsiketsehana Marefo Amin'ny Fanafihana Feno Herisetra

Mitohy miditra amin'ny herinandro faha efatra ankehitriny ireo mpanao fihetsiketsehana mangataka ny fametraham-pialàn'ny Filoha Ali Abdullah Salehm ao Yemen.Saleh dia niantso ny hery ara-politika rehetra hifampidinika. Nolavin'ny mpanohitra ny fanasàna. Mandritra izany fotoana izany, nitohy ny fanafihana ataon'ireo herim-pamoretana sy mpandàla an'i Saleh an'ireo mpanao hetsika ampilaminana.

Arabia Saodita: Inona no tadiavin'ny vahoaka?

Raha nameno ny faritra ny fihetsiketsehana,  dia nampiaka-peo koa ny Saodiana. Efa nivezivezy ny fanangonan-tsonia omena ny Mpanjaka Abdulla, misy ny fangatahana mikatsaka ny fanovana politika maro. Ny fangatahana, nomena anarana hoe ” Firenena manana ny zo sy ny lalàna fototra” dia azo jerena ao amin'ny aterineto, ahitana  fitakiana mitotaly valo, nosoratana...

Amman: Marika Famoronana Ho Amin'ny Fanovàna Tanatin'ny Hetsi-panoherana Tao Amman

Mbola nisy hetsi-panoherana hafa indray ny andro zoma nitaky fanavaozana tao Jordania natao tao afovoan-tananan'i Amman androany (4 Martsa). Taorian'ny herinandro izay nahitana fahadisoam-panantenan'ny rehetra nohon'ny lahateny nataon'ilay praiministra voatendry vao haingana sy ny fanambarana tsy nahafa-po sy nandranitra nataon'ireo ministra teo aloha sy ny mpikambana tao amin'ny antenimieran-doholona, dia tamin'ny alalan'ny antso fanaingana fanavaozana sy fanovana no namalian'ny ny vahoaka sasany tao Jordania izany.