· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Janoary, 2011

Rosia: Jery todika ny aterineto 2010

Nanasongadina fironana manan-danja maro ny aterineto Rosiana ny taona 2010. Nitombo haingana niaraka tamin'ny olona nahazo vaovao malaky amin'ny aterineto sy tena mavitrika amin'ny fampiasana tambanjotra sosialy ny mpanaraka amin'ny aterineto. Amin'ny lafiny maro, dia nitondra fankatoavana ny tanjaky ny aterineto teo amin'ny fiarahamonina Rosiana ny taona 2010.

Tonizia: “Azafady mba ambarao an'izao tontolo izao fa miala aina i Kasserine!”

Miasa andro aman'alina ireo Toniziana mponin'ny aterineto mba hampiseho amin'izao tontolo izao ny vonomoka mitranga ao amin'ny firenen-dry zareo. Ny zavatra izay nanonboka tamin'ny endrika fanoherana ny tsy fisian'asa raha nandoro ny tenany ny Toniziana iray vao 26 taona tao Sidi Bouzid tamin'ny volana lasa dia nandrehitra sy nampihanaka onjam-panoherana nanerana ny firenena iray manontolo. Ireto manaraka ireo ny fanehon-kevitra sasantsasany vao maraina be androany.

Hongria: Fanentanana ho fanamaizinana manerantany

Ireo olon-tsotra mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra dia miezaka mitazona ny haavon'ny fandrakofana iraisampirenena amin'ny alalan'ireo fitaovam-pifandraisana ao amin'ny aterineto. Vondrona iray antsoina hoe Blackout for Hungary (Haizina ho an'i Hongria) no nanainga fanentanana iray maharitra 24 ora nanomboka tamin'ny 5 Janoary teo hanoherana ilay lalàna vaovao momba ny media nampidirina tamin'ny 1 Janoary. Mitatitra i Marietta Le.

Japana: Ny herintaona nitorahana bilaogy

  09 Janoary 2011

Satria voafidy ny tarehin-tsoratra 暑 (sho) izay midika 'mamay na hafanana' hanehoana ny taona 2010 tamin'ny fankalazàna isan-taona [en] tao Kyoto, ndeha isika hijery fantina "lohahevitra mamay" izay norakofan'ny Global Voices tamin'ity taona ity.

Tonizia : “tsy matahotra intsony izahay!”

Mihamanatona ny faran' ny taona fa any Tonizia kosa dia mikorontana noho ny firohotana ara-tsosialy izay heverin'ny mpitoraka bilaogy maro fa hitondra fiovana lehibe eo amin'ny firenena. Noho ny fanivanana ny aterineto sy ny haino aman-jery Toniziana, dia fahazarana ny mampahafantatra sy mikarakara ny fanoherana mandritra ny 13 andro amin'izao fotoana izao amin'ny fampiasana ny tenifototra #SidiBouzid. Fanontaniana iray anefa no mipetraka: Fa maninona ny fanoherana any Tonizia no tsy manako toy ny fanoherana tany Iran? Fanampian'izany, fa maninona no resahina foana ny fanivanana any Sina ankehitriny nefa ny daroka ataon'ny polisim-panjakana any Tonizia tsy mba lazaina?