Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Septambra, 2010

20 Septambra 2010

Iran: Hossein Derakhshan (”Hoder”), mpitoraka bilaogy voafonja mety hiatrika fanamelohana ho faty

GV Mpisolovava

Loharano iray azo antoka no nilaza tamin'ny Global Voices fa ny mpampanoa lalàna ao Teheran dia mikasa ny hampihatra ny fanamelohana ho faty amin'ilay Iraniana mpitoraka bilaogy Hossein Derakhshan (fantatra koa amin'ny hoe “Hoder”)

Venezoela: Governemanta vs. Tambajotra Sosialy, mitohy ny ady.

GV Mpisolovava

Tamin'ny herinandro lasa, ny Filohan'ny kaomisiona Media ao amin'ny Antenimieram-pirenena, Manuel Villalba, dia nanambara fa rahampitso 21 Septambra, dia hametraka fitoriana tranonkala maromaro eo anoloan'ny mpampanoa lalàna. Mety ho tsaroanao angamba, tsy vao voalohany izao no nisy solontenan'ny governemanta Venezoeliana milaza imasom-bahoaka ny ady ataony amin'ny tambajotra sosialy.

17 Septambra 2010

Shina: Rafitra fanamarinana ny mombamomba ny olona (ID)

GV Mpisolovava

Miady hevitra momba ny fametrahana ny tena anarana ao amin'ilay sehatra fitorahana bilaogy kiritiky ny Baidu, Baidu Shuoba, ireo mpitoraka bilaogy sy mpandefa bitsika (twitterers). Maro no miahiahy fa i Baidu, lohamilina fikarohana lehibe indrindra ao Shina, dia mifampitohy amin'ny raki-tahirin'ny governemanta

14 Septambra 2010

Brezila: “Ataovinareo irery” Diovy ny Fifidianana

Teknolojia mampangarahara asa

Iray volana latsaka eo sisa dia hisy fifidiana eto Brezila ary ny Eleitor 2010 dia efa nanjary lasa mpilalao mpitondra fiovàna: io dia tetikasa iray "fanangonam-baovaoa ifotony" mikendry ny hanamorana ny fitateran'olon-tsotra ireo fanitsakitsahana ny lalam-pifidianna. Tamin'ny alalan'ilay sehatra, tantara mahatsikaiky vitsivitsy sahady no efa niseho masoandro.

Iran: Ny mpitoraka blaogy voatana an-tranomaizina Shiva Nazar Ahari dia nafahana rehefa nadoa antoka $500,000

Shiva Nazar Ahari, gadra mafana fo mpiaro zon'olombelona sy mpitoraka blaogy, dia nafahana omaly. Araka ireo vohikalam-baovao maro, dia antoka $500,000 no naloha tamin'ny famoahana an'i Shiva. Nankany amin'ny fitsarana niaraka tamin'ny tanany nisy rojo-vy izy tany amin'ny voalohandohan'ny volana Septambra ary nampangaina ho nampangaina ho niaraka tamin'ilay fikambanana, Mponina...

10 Septambra 2010

Maraoka: Mpitoraka bilaogy maharay fandrahonana ho faty

GV Mpisolovava

Lahatsoratr'i Hisham nivoaka tao amin'ny Advocacy ny 10  Sep 2010 Kacem dia Maraokana iray mpitoraka bilaogy sady mafana fo, nahitàna fampahafantarana toy izao tamin'ny tranonkalany, Bahmout, mivaky hoe: “tsy manaiky izay mety hambaranao aho, nefa kosa hiady ho an'ny zonao hilaza azy,” mitanisa an'i Voltaire, Filozofy Frantsay . Kacem, izay...

Ejipta: horohoro vaovao indray ho an'ny fahalalahan'ny aterineto

GV Mpisolovava

Ao anatin’ny andrana vaovao hametraka sakantsakana amin’ny aterineto ao Ejipta lazaina fa hoe hanaovana izay hiarovana araka ny lalàna ny fizaka-manana ara-tsaina dia namoaka fanapahan-kevi-panjakana ny Ministeran’ny kolontsaina Ejiptiana tamin’ny 31 Aogositra 2010 mba hamafàna ireo tranonkala rehetra mamoaka sary sy feo tsy mifanaraka amin’ny lalàna (lah:28) mifehy ny fizaka-manana...

03 Septambra 2010

Malezia: Aiza ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'izao fotoana izao?

Mety hoe iray amin'ireo miroborobo ara-toe-karena haingana indrindra any Asia ny sarin'i Malezia anananao, fa fantatrao ve fa mbola any amin'ny laharana faha3 avy any aoriana (milahatra eo amin'ny toerana faha 131) tamin'ny taona 2009 amin'ny filaharan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety iraisam-pirenena izy ? Tsy mivoatra mihitsy izany ho an'ireo mponina...