· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Aogositra, 2010

Mamaly ireo mafàna fo ny Facebook

GV Mpisolovava  15 Aogositra 2010

Lahatsoratr'i Jillian C.York nivoaka tao amin'ny Global Voices Advocacy. Nivoaka voalohany tao amin'ny jilliancyork.com ity lahatsoratra ity  ary manao randra-mitarika amin'ireo maro hafa mikasika ny fomba fitondràna ampiharin'ny mpandrindra ny Facebook amin'ireo mafàna fo. Ho fampahatsiahivana, amporisihana ny hamakiana ireto manaraka ireto : On Facebook Deactivations [Manodidina ny Fanakatonana Kaonty...

Iran : Mitokona tsy mihinan-kanina ireo gadra politika

  11 Aogositra 2010

Gadra politika 17 no nanomboka nitokona tsy nihinan-kanina tamin'ny faran'ny volana jolay hanamelohan'izy ireo ny fitondrana ratsy mihatra aminy ao amin'ny fonjan'ny Evin. Eto ny lisitra misy ny anaran'ireo mitokona. Iran dia nisambotra mpanao gazety aman-jatony maro, mpitolona ho an'ny zon'olombelona ary mpanao politika nanohitra ny vokam-pifidianana izay ho filoham-pirenena...

Venezoelà: Fetiben'ny bolongana sy fahalalaham-pitenenana an-tserasera

  09 Aogositra 2010

Ny Global Voices teny Espaniola dia te-handrisika ny famahanam-bolongana sy hanondro-daza ny mpamaham-bolongana amin'ny alalan'ny “Festival des Blogs” na fetiben'ny bolongana. Avy amin'izay fomba izay no hahafahan'ny GV teny Espaniola mandray anjara mba hahitana [hamoronan'ny mpamaham-bolongana] zava-baovao misy fanadihadiana sy famakafakana avo lenta. Hahazo tombon-dahiny amin'ny mora hahitana kokoa izay...

Pakistana: Antsoy hoe Pornistan?

  08 Aogositra 2010

Tamin'iny volana lasa iny, Fox News dia namoaka tatitra nanambara fa i Pakistana no mitàna ny laharana voalohany amin'ny tranonkala vetaveta araka ny voarakitr'i Google. Manadihady ilay tatitra ireo mpitoraka blaogy Pakistane ary mampahatsiahy teboka manan-danja vitsivitsy mifandraika amin'ireo olana fanasivanana aterineto ao amin'ny firenena.

Sina: ny valan-tserasera fitaovam-panakorontanana ara-politika

  05 Aogositra 2010

Tena volana nahaliana tokoa iny volana lasa iny teo amin'ny kilalaon'ny fangalam-piery nisy teo amin'ny fanivanana ny aterineto Sinoa sy ny tsy fanarahana ny fomba raikitra. Nanomboka nahatsapa ny havesatry ny faneren'ny governemanta ireo mpitoraka bilaogy madinika ao amin'ny Repoblika Entim-bahoaka, noho ny fivoahan'ny tatitra avy amin'ny Akademian'ny Siansa Sosialy Sinoa (CASS)...