Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny

Kasain'i Timor-Leste haverina ampiharina ny lalàna manameloka ny fanalambaràka, na eo aza ny ahiahy momba izay fiantraikany amin'ny fahalalahana maneho hevitra

"Loza mitatao ho an'ny rehetra io tolodalàna io, indrindra fa ireo olona marefo tsy manana fifandraisana politika na tsy manam-bola. "

Mamaivay ny tsikera mahazo ilay tantara foronina miresaka ankohonana meksikana nifindramonina ho any Etazonia

"Ny fahitana an'i Lydia ho gaga hatrany amin'ny fiainana andavanandron'ny fireneny, fiainana haiko tsara amin'ny maha- chicana ahy miaina ao en el norte [avaratra], no lasa mampihevitra ahy fa ... Tsy Meksikana azo itokisana i Lydia. Hita hoe mijery ny tanindrazany amin'ny mason'ny mpizahatany amerikana milalao tafahoatra ny dona ara-pihetsehampo...

Diarin'ny COVID-19 avy any Wuhan: Rehefa lasa fanangonam-baovaon'olom-pirenena ny diary

"Lasa toy ny bibin-tsaonjo miova ho lolo ny diary rehefa mandeha ny fotoana."

Lavin'i Taiwan ny hanolotra ilay mpitsabo mpanampy “nanevateva” ny filoha Filipiàna tao amin'ny Facebook

"Tsapako fa nohenoin-dry zareo izay zavatra nezahako nampitaina ary izany dia mampiseho fa eto Taiwan, omena lanja tokoa ny demaokrasia."

Nataon'ireo mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong ho fonenana vaovao mandritra ny areti-mifindra ny lalao an-tserasera

Mangetaheta ny hidina an-dalambe indray ny mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong. Fa mampiasa ny efijeriny aloha izy ireo mandritra izany fotoana izany.

Nofoanan'i Mozambika ny didy hitsivolana amin'ny fampandoavana hetra mihoampampana ho an'ny mpanao gazety

Manodidina ny 30 ka hatramin'ny 500.000 meticais ny saram-bidiny (manodidina ny 507 sy 8.450 dolara amerikana) ary takiana ho an'ireo mpitati-baovao avy any ivelany sy ny vahiny ary ny mpanao gazety mahaleotena izay miasa any Mozambika.

Uyghur mpiaro zon'olombelona i Dilnur Reyhan, malahelo fa tsy misy firaisankina ny samy silamo

Nanakona ny mason'ireo olompirenena silamo tsotra ny fankahalàna ireo tandrefana eny anivon'ireo vahoaka silamo, ka tonga hatramin'izao fandàvana ny hino izay rehetra vaovao avy amin'ny media tandrefana izao, na ohatra aza ka ireo toby fanibohana miozolmàna no resahana

Voampanga ho manao sivana ny Klioban'ny masoivohon-gazety vahiny rehefa nanaisotra hala-tahaka fanesoana ny fangon'ny lalao olaimpika

Nanasongadina sary maka endrika coronavirus ny sary fanevan'ny lalao olaimpikan'i Tokyo nivoaka ao amin'ny gazetibokin'ny klioba tamin'ny volana avrily, ka niteraka fitarainan'ny komity mpikarakara ny lalao olaimpika ho misy fanitsakitsahana copyright.

Norarana nandritra ny 30 taona, hita amin'ny YouTube ankehitriny ny filma haiady tokana an'i Singapaoro

Nandritra ny taona maro no nitehirizan'ilay mpiantsehatra voalohany Peter Chong ny kopia tokana tao amin'ny vata fampangatsiahana

Noho ny ady ataon'i Tonizia amin'ny Covid19, voatohintohina ny fahalalahana maneho hevitra

Roa ireo bilaogera nosamborina satria niampanga ireo manampahefana any an-toerana ho nanao kolikoly mifandraika amin'ny fitsinjaràna ireo fanampiana, raha iray kosa mpanao gazety miatrika ompa sy fanivaivàna ety anaty tambajotra satria nanakiana ny minisitry ny fahasalamàna.