Tantara mikasika ny Fahalalahàna miteny tamin'ny Septambra, 2024
Tsy maintsy vahàn'ny filohan'Iran vaovao mandritra ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana ny famoretana ireo artista, mpanohitra
"Paikady tsy dia fantatra amin'ny fitondrana iraniana, nefa misy fiantraikany lalina amin'ny lasibatra ny fiaiken-keloka an-tery, ny fandraràna hiasa ary famerana amin'ny fivezivezeny."
‘Krizy sy famohazana ny hetsika nasionaly Tatar’: Antsafa ifanaovana amin'ny toniandahatsoratry ny mediam-panoherana
Miatrika vesatra ho "mamerina ny Nazisma amin'ny laoniny i Ruslan Aysn, Tatar mpanao dokambarotra sady lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny gazetiboky Poistine. Valibontana noho ny fanoherany ny fananihambohitra an'i Okraina izany.
‘Mendrika ho hita ny marina’: Melohin'ireo mpanakanto ny fanivànana sarimihetsika ao Filipina
Nalahatra ho X ny sarimihetsika roa ao Filipina, ary noraràna ny fandefasana azy ireo any anaty efitrano fijerena. Nahatezitra ireo Filipiàna mpankafy sarimihetsika sy ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra izany
GV webinar: Ny Abidin'ny Famoretana Ankihy ao Venezoelà
Amin'ity webinar ity isika hijery ny “fonosam-”pitaovana famoretana ankihy fanaon'ny fitondrana Venezoelàna,, ny fomba nivoarany ara-potoana, ary hamakafaka ny fomba nampiasana azy ireo taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 28 Jolay.
‘Tokony hanohana ny demokrasia ao Swaziland ny vahoaka Taiwaney': Resadresaka nifanaovana tamin'ilay mpikatroka, Tanele Maseko
Brian Hioe, mpamoaka lahatsoratry ny New Bloom, monina ao Taiwan, dia nitafatafa tamin'ilay mpikatroka, Tanele Maseko, vady navelan'i Thulani Maseko, izay maty nisy namono tamin'ny Janoary 2023 tao Eswatini, iray amin'ireo vitsivitsy mpiara-dia ara-diplaomatika amin'i Taiwan.
Famelezana voarindra sy voalamina hamelezana ny mpanao gazetin'i Hong Kong
Hafatra fandrahonana nalefa tamin'ny fianakaviana, tompontrano, mpampiasa ary fikambanan'ny mpanao gazety 15, ary votoaty fankahalana no naranty tao amin'ny Facebook manao ho lasibatra mpanao gazety 36.
Avatar IA sy Instagram Live no ampiasain'ireo Venezoeliàna hanoherana ny famoretan'i Maduro
Taorian'ireo fifidianana niteraka resabe tamin'ny 28 Jolay tao Venezoelà, nohamafisin'ny filoha MAduro ny famoretana sy fanarahamaso ireo tsy mitovy fomba fijery aminy. Mitady fomba handravàna ny sivana ry zareo Venezoeliàna
Ahoana no ahafahan'i Moldavia mampiray ny firenena ao anaty tsindry Rosiana?
Niantso ireo mpiara-miombon'antoka tandrefana ireo mpanoratra ny tatitra mba hanohana ny fampahalalam-baovao mahaleo tena miady mafy ao Moldavia ary hamporisika ny fananganana fampahalalam-baovao amin'ny teny Rosiana azo itokisana.
Nitory vehivavy miisa telo i Singapaoro noho ny famoriam-bahoaka ‘tsy ara-dalàna’ manohana an'i Palestina
"Tokony hajaina sy arovana ny fihetsika tsotra ataon'ny Singapaoreana tamin'ny fanaterana taratasy am-pilaminana any amin'ny biraon'ny Filoha."
Ambivitry ny handany lalàna anti-LGBT+ ny mpanao lalàna Zeorziana
Nasongadin'ireo mpitsikera fa nampitombo ny heloka bevava fankahalana ny lalàna tahaka ilay nolanian'i Rosia tamin'ny taona 2013 “hiarovana ny ankizy amin'ny vaovao misolovava amin'ny fandavana ny hasin'ny fianakaviana nentim-paharazana.”