Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Sakafo

Singapaoro: Diwali ao ‘Little India’

Mitsidika ny faritr'i Little India ao Singapaoro i Sparklette mba hijerena ireo lanonana Deepawali.

Sahara Andrefana: Adihevitra mikasika ny sarintanin'i McDonald

Niatrika adihevitra ny sampan'ny McDonald Maraokana tamin'ny herinandro lasa taorian'ny namoahany kilalaon'ankizy "Happy Meal" izay ahitana sarintanin'i Maraoka. Ny sisintany eo amin'ny sarintany dia manasaraka an'i Sahara Andrefana amin'i Maraoka; Faritany ifandiran'i Maraoka sy ny Front Polisario tohanan'ny Alzeriana i Sahara Andrefana.

Sary avy any Tahiti: Tsenan'i Papeete

Mamoaka sarin'ny tsenan'i Papeete ilay blaogera sady mpampianatra ao an-toerana, Jean-Marc

Mibilaogy momba an'i India: akoranafo bio, manga, akondro, “chick-lit” sy Bollywood

Manana endriny samihafa amin'ny fanoratana momba an'i India amin'ity herinandro ity izahay. Anisan'ireo lohahevitra noresahana ny: bio-carburants, chick-lit (tantaram-pitiavana), manga, akondro, Madras ary Bollywood.

Miatrika olana ara-tontolo iainana ny reniranon'i Litani ao Libanona, renirano lehibe indrindra ao amin'ny firenena

Nampiseho ny fikarohan'ny Oniversite Amerikanina ao Beirota fa ny rano nalaina tao Litani nandritra ireo volana fahavaratra maina kokoa dia rano maloto avokoa. Hita fa feno singa-metaly mivangongo be ireo legioma voatondraka tamin'ny rano maloton'ny renirano, izay mety hisy fiantraikany amin'ny hoza-doha ary manakorontana ny fiasan'ny fo sy ny voa.

Japana: Noana Ao Amin'ny Tany Tondra-dronono

Nanainga ny blaogera japoney maro hieritreritra mikasika ny fiantraikan'ny politikan'ny fiahiana ara-tsosialy ao amin'ny fireneny ny tantara vao haingana mikasika ny lehilahy iray matin'ny hanoanana [Ja] noho ny tsy nahazoany ny fanampiana ara-tsosialy, izay lasa nalaza noho ny niraketany tao anaty diary ny andro farany niainany. Vakio ato ny sasany...

Gonu no Lazan'i Koety !

(2007) Sahobakaka ambody riana ireo blaogera Koetiana, niandry ireo vaovao mikasika ilay rivodoza mandravarava Gonu, izay nahafaty olona teo amin'ny dimampolo tao amin'ny tanàna mpifanolobodirindrina amin'i Oman. Milaza amintsika ny fomba nanehoan'izy ireo ny hatezerany noho ny fanontàna iray navoakan'ny gazety teny an-toerana, izay nikendry ny handoto ny lazan'ny firenen'izy...

Koety: Bilaogera notoriana noho ny fitsikerana ny trano fisakafoanana 

Raha nanoratra ny fitsikerana manokana ny trano fisakafoanana iray vaovao vao nisokatra, izay noheverina ho zavatra mahazatra, ny bilaogera iray , tampoka teo dia lasa resabe an-tserasera izany rehefa nandrahona hitory ilay mpitantana ilay trano fisakafoanana.

Koety: Very Eo Anelanelan'ny Trano Fijerena Sarimihetsika sy ny Trano Fisakafoanana

(2007) Eo anelanelan'ireo sarimihetsika voasakana sy voasivana any amin'ny trano fijerena sarimihetsika sy ny trano fisakafoanana izay mbola mila manao ezaka be amin'ny resaka tolotra, tena leo be ireo blaogera Koetiana tamin'ny herinandro farany teo. Mitondra amintsika ny fanavaozana farany avy ao amin'ny tontolon'ny blaogy Koetiana i Abdullatif AlOmar ao...

Japana: Topimaso ho an'ireo blaogin-tsakafo mampitelin-drora

Maro isankarazany ny sakafo Japoney izay miova isaky ny vanimpotoana. Maro toy izany koa ireo blaogy mamoaka sarin-tsakafo na torolalana momba ny fanaovana sakafo Japoney.