Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Sakafo

20 Febroary 2019

150 taonan'ny Ceylon Tea: Andro iray amin'ny fiainan'ny mpiasan'ny fambolena

Tsy ampy velively ny karaman'ny mpiasan'ny fambolena hisahanana ny fandanian'ny fianakaviana, ka voatery ny maro miala na mitady asa any an-kafa

10 Febroary 2019

Paragoay: Fanehoankevitra hafa an'ireo Bilaogera manoloana ny Fandresen'i Lugo

Taorian'ny fandresena goavana tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany, nanome ny eritreriny momba ny fanantenany amin'ny governemanta vaovao an'i Fernando Lugo ireo bilaogera sasany ao an-toerana, ny sasany kosa mijery ny fe-potoam-piasan'ny filoha teo aloha, Nicanor Duarte. Ny hafa kosa midera ny fandresena ny Antoko Colorado efa nandrasana hatry ny ela.

29 Janoary 2019

Ny tantaran'ny Biryani : Ny Biryani ve no sakafom-pirenena any Pakistana?

Azo heverina ho toy ny mpanjakan'ny lakozia any Azia Atsimo ny Biriyani kanefa izany ve no sakafom-pirenena ao Pakistana?

20 Janoary 2019

Mahatezitra ireo Malaoita ny Hevitry ny Bilaogera Iray momba ny “Nsima”

Niteraka adihevitra momba ny halehiben'ny fahafahana mety hananan'ny olona amin'ny fanehoany hevitra anaty bilaogy ny lahatsoratra iray momba ny "nsima", foto-tsakafon'i Malawi. Nasehon'ireo fanehoankevitra sasany fa ilaina ihany ny famerana ny tena, ny fandraisana andraikitra ary ny fahatsapan-tena, indrindra raha manoratra momba an-javatra iray raisin'ny hafa ho sarobidy aminy ianao.

04 Janoary 2019

Tantaran'ny mpinamana mamahana sakafo maraina mpianatra zazavavy 500 isan'andro ao Yemen mba hahafahan'ireo mianatra

Talohan'ny nisian'ny tetikasa dia tsy tonga nianatra ny ampahadimin'ny mpianatra, ankehitriny ry zareo niverina an-dakilasy avokoa.

13 Desambra 2018

Fampidirana anatin'ny Tolon'ny Bilaogy Somaliana

Fehiny voalohany amin'ny bilaogy Somaliana ity, sampana kely anatin'ny tontolon'ny bilaogy Afrikana kanefa mitombo hatrany. Araka ny mety efa ho nampoizina dia tanora ny ankamaroan'ireo bilaogera Somaliana, mipetraka ivelan'i Somalia ary manoratra amin'ny teny Anglisy.

05 Desambra 2018

Vietnam: Tolokevitra Ara-tsakafo ao Hue

Mitsidika an'i Hue, ilay renivohitr'i Vietnam taloha, i Vietnamese God amin'izao fotoana izao. Manana sary vitsivitsy momba ny sakafo any an-toerana sy tolokevitra mikasika ny trano fisakafoana ilay bilaogera.

Singapaoro: Diwali ao ‘Little India’

Mitsidika ny faritr'i Little India ao Singapaoro i Sparklette mba hijerena ireo lanonana Deepawali.

26 Novambra 2018

Sahara Andrefana: Adihevitra mikasika ny sarintanin'i McDonald

Niatrika adihevitra ny sampan'ny McDonald Maraokana tamin'ny herinandro lasa taorian'ny namoahany kilalaon'ankizy "Happy Meal" izay ahitana sarintanin'i Maraoka. Ny sisintany eo amin'ny sarintany dia manasaraka an'i Sahara Andrefana amin'i Maraoka; Faritany ifandiran'i Maraoka sy ny Front Polisario tohanan'ny Alzeriana i Sahara Andrefana.

15 Novambra 2018

Sary avy any Tahiti: Tsenan'i Papeete

Mamoaka sarin'ny tsenan'i Papeete ilay blaogera sady mpampianatra ao an-toerana, Jean-Marc