Tantara mikasika ny Lanonana tamin'ny Febroary, 2014
Mbola Tsy Nisoratra Anarana? Ampidiro Ny Bilaoginao Amin'ilay Fifaninanana BilaogyTsara Indrindra (Bobs)

Misokatra indray hoan'ireo bilaogera manoratra amin'ny teny efatra ambinifolo isan-karazany sy sokajy marobe ny fifaninanana fanao isan-taona karakarain'ny Deutsche Welle. Ny fifaninanana - Best of Online Activism (Fikatrohana Antserasera Tsara Indrindra) - dia mikendry hampiroborobo ny fahalalaham-pitenena sy ny fanajana ny zon'Olombelona ao amin'ny Aterineto sy manerana izao tontolo izao.
Akon'ny 21 Febroary 2014 Teto Madagasikara : Tenin-dreny Sa Teny Ibeazana?
Etsy ankilan'izany dia manana ny fanamarihana azy ihany koa ny eto amin'ny serasera, Araka ny fanentanana nataon'ny Rising Voices izay efa nadika ihany koa ho amin'ny teny malagasy, dia nifanentana tamin'ny alalan'ny fampiasana ny diezy roa #imld14 sy #malagasy ny mpiserasera twitter Malagasy vitsivitsy.
[StoryMaker] Vesna Dolinšek Sy Lam Echaml Ao Tonizia

Nandritra ny Lasin'ny StoryMaker notontosaina tamin'ny volana janoary tao Amman, Jordania, nifampireaka tamin'i Vesna Dolinšek avy ao Tonizia izahay, iray amin'ireo mpandrindra ao an-toerana momba ny tetikasa, ary nifampizara ny traikefany momba ny fihaonany tamin'ireo mpandrindra hafa avy amin'ny firenen-kafa
[StoryMaker] Privilege Musvanhiri Avy Ao Amin'ny Fiarahamonin'ny Finday Ao Zimbabwe

Tamin'ny Lasin'ny StoryMaker natao tamin'ny volana Janoary tao Amman, Jordania, niresaka tamin'i Privilege Musvanhiri avy ao amin'ny Mobile Community Zimbabwe (Fiarahamonin'ny Finday Zimbabwe) izahay.
[StoryMaker] Mustafa El-Ani Ao Amin'ny Foiben-gazety Tsy Miankina Kiorda

Nandritra ny Lasin'ny StoryMaker notontosaina tamin'ny volana janoary tao Amman, Jordania, nifampireaka tamin'i Mustafa El-Ani avy amin'ny Independent Media Centre Kurdistan, iray amin'ny mpandritra ao an-toerana momba ny tetikasa, nifampizara ny traikefany momba ny fanarazan-draharaha ny StoryMaker tao Iràka izahay.
Mankalaza Ny Tetikasa “Narakitra An-tsarintany Tsara”

Nanatontosa lanonana ho fanomezam-boninahitra ny fampiofanana naharitra enim-bolana ny Fandraketana an-tsarintany an'i Nizera
[StoryMaker] Emad Shenouda Sy i Al Sawt al Hurr Ao Egypt

Tao amin'ny Lasin'ny StoryMaker notontosaina tao Amman, Jordania tamin'ny volana Janoary teo, niresaka tamin'i Emad Shenouda avy ao Ejypta izahay, iray amin'ireo mpandrindra ny tetikasa ao amin'ny faritra, izay nizara ny traikefany tamin'ny fanazarana StoryMaker tao Ejypta.