Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Novambra, 2015

Tantara mikasika ny Foko sy Fiaviana tamin'ny Novambra, 2015

Tazonin'Ireo Akanjo Mena Ho Velona Ny Fahatsiarovana Ireo Vehivavy Aborizena Tsy Hita Sy Maty Novonoina Tao Kanadà

Mikatsaka fisarihan-tsaina momba ny tsy rariny manoloana ireo vehivavy Aborizena ao Kanadà ny Fametrahana ila tetikasa zavakanto, REDress: manodidina ny 1.200 ireo vehivavy Aborizena novonoina na nanjavona nanomboka ny taona 1980.

Fantaro Ny Fikambanana Silamo Miroborobo Ao Buenaventura, Kolombia

Tsy mitovy amin'ny hafa ity fiarahamonina silamo ity. Tongasoa eto Buenaventura, ahitana fianakaviana Kolombiana taranaka Afrikanina eo amin'ny 300 eo izay niova ho silamo 40 taona lasa ho endrika fanomezan-kery manoloana ny fanilikilihana.

Asehon'ireto Sary Ireto Ny Tolon'ireo Vazimba Teratany Manohitra Ny Fanararaotana Ao Filipina

Manana vazimba teratany eo amin'ny 14 tapitrisa eo i Filipina. Any aminà vohitra lavitra, tandindonin'ny fandravàna ateraky ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany mitondra faharavàna, ny hetraketraky ny fampandrosoana ary ny famenoana miaramila ny tanànany ny maro amin'izy ireny no monina

Zava-misy Dimy Momba Ny Día de Los Muertos (Andron'ny Maty) Ao Meksika

Miha-mipoitra ao Etazonia ilay fety fankalazàna, toerana ahitàna vondrom-piarahamonina Meksikana betsaka.