· Marsa, 2011

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Marsa, 2011

Japana: Tahotra any Fukushima

Ny andro taaorian'ny nandonan'ilay horohoron-tany manana tanjaka 8.9 an'i Japana, nisy fipoahana tao amin'ny Ozinina Famokarana Hery Nokleary any Fukushima Daiichi, 150 miles Avaratr'i Tokyo, dia sady nahatonga tahotra sy fikorontanan-kevitra tao amin'ny aterineto mikasika ny zavatra mety hitranga manaraka

14 Marsa 2011

Japana: Mamely ny morontsiraka ny tsunami, tsy mamela mahazo

Manaraka ilay horohorontany goavana indrindra teo amin'ny tantaran'ity firenena ity, voakapoky ny tsunami mahery indrindra tany aminy indray i Japana. Miraikitra eo amin'ny Fahitalavitra ny vahoaka eraky ny firenena satria mandeha amin'ny vaovao ilay tsunami mihoatra ny 7 metatra izay mamafa ireo fiara sy ireo tranobe tojo ny zotrany.

12 Marsa 2011

Filipina: Fanaraha-maso Tsunami sy Tsaho Horohorontany

Taorian'ilay horohorontany nahery vaika namely an'i Japana, navoaka ny fampitandremana ny mety hisianà tsunami hamely faritra amorontsiraka 19 any Filipina. #Batanes sy #Samar dia lasa lohahevitra nironan'ny rehetra tao amin'ny twitter. Batanes dia ny faritra tena faran'ny avaratra raha i Samar dia miresaka ny tatitra diso hoe nisy horohorontany namely ny faritanin'i Samar.

11 Marsa 2011

Panama: Hofoanana ny lalàna manova ny fehezan-dalanan'ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany

Ny 3 Martsa, nanome toky ny hanafoana ny lalàna izay manova ny fehezan-dalànan'ny fitrandrahana any Panama ny Filoha Ricardo Martinelli. Voarain'ireo Panamaniana tamin-kafailana ireo vaovao izay nahita ny fanovana ity fehezan-dalàna ity ho fanafihana ny tontolo iainana. Nipoitra avy hatrany tany amin'ireo tamban-jotra sosialy ireo fihetsehim-po.

08 Marsa 2011