Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Tontolo_iainana

05 Oktobra 2019

Tompondaka erantany i Etiopia amin'ny fambolena hazo, saingy mbola ho ela ny fiantraikany

Mampangitakitaka ireo tetikasa fambolena hazo marobe, saingy tsy tsotra araka ny fiheverana azy. Mampirisika ireo mpamboly sy miompy madinika ny Send a Cow hamboly hazo azo anavan-javatra maro mifanaraka amin'ny tontolo iainana.

01 Oktobra 2019

Mahatsiaro ny rivodoza Gilbert i Jamaika, fa vonona hiatrika an'i Dorian ve ilay nosy?

Hita ho miharatsy ny vokatra ateraky ny rivodoza ao Karaiba ka efa tsy fotoana andaniana resaka intsony izao ary mihavay an-dohan-draharaha ny toe-javatra.

26 Septambra 2019

Mikarakara elefanta kamboty ao Myanmar

Tandindonin-doza noho ny fihazàna azy ireo elefanta dia ao Myanmar; mihazakazaka be ny famonoana azy ireo, iray isankerinandro.

25 Septambra 2019

Topi-maso momba ireo fitokonana amin'ny toetr'andro manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana

Maro ireo hetsika nokarakaraina manerana an'i Azia Atsimo Atsinanana nanomboka ny 20 ka hatramin'ny 22 septambra 2019 ho fanohanana ny Global Climate Strike (Fitokonana momba ny Toetrandro Manerantany).

23 Septambra 2019

Nampiverina ny adihevitra amin'ny fanaovana afomanga mavesatra ny fahafatesana kangoroa ao Trinite

"Manao antso ho an'ny vahoaka izahay ny handrarana tanteraka ny afomanga eto Trinite sy Tobago. Ao anatin'ireo tsy mahazaka raha mbola mitohy izany ny biby ato aminay sy ny fianakaviany."

21 Septambra 2019

Efa noderain'i Homer indray maka, mihavery hazo ka mihasola ny tendrombohitra Ida ao Torkia

Mamondrona ny heriny ny mpikatroka sy ny artista ao Torkia hiadiana amin'ny fandripahan'ny orinasa mpitrandraka ny ala.

16 Septambra 2019

Matahotra ny hohadinoina ireo mponina ao amin'ny faritra Japoney niharan'ny rivo-doza

Nifantoka tamin'ny fiantraikan'ny rivo-doza tamin'ny vahoaka tao Tokyo, ny orinasa, ny governemanta sy ny fampahalalam-baovao ao Japan ihany ny ankamaroan'ny fitantaram-baovao momba ny Rivo-doza Faxai.

Mamely mafy an'i Chennai ao India ny tsy fisian'ny rano madio

Voakasika ny fiainan'ireo olona 9 tapitrisa ao atsimon'i India satria miatrika krizin-drano tsy mbola nisy toy izany i Chennai, iray amin'ireo tanàna mitombo haingana be indrindra manerantany.

08 Septambra 2019

Mizotra miadana ao Karaiba ny rivodoza Dorian, saingy mety mbola hahatsapa ny hatezerany ihany i Bahamas

Mety mbola tsy nampiseho ny tanjany ny Rivodoza Dorian.