Tantara mikasika ny Tontolo_iainana tamin'ny Septambra, 2024
Tahirim-peo anjotra Karibeana sasantsasany mila henoina amin'izao Andro Iraisampirenena momba ny Tahirimpeo anjotra izao
Taorian'ny fanombohana somary miadana — sy ny fitomboan'ny fampiasana aterineto ao amin'ny faritra — dia nanomboka namihina ilay endrika ireo mpitaonan'i Karaiba tao anatin'ny folo taona teo ho eo, ary maro ireo nahatsangana mpihaino tsy tapaka amin'ny tolotra fanaony.
Mampivelatra fiara elektrikan'i Shina: ny revolisiona maitso sy ny tinakiny ara-tontolo iainana ao Azia Afovoany
Kinedrin'i Shina ny hampitombo ny fanondranana fiara mandeha herinaratra any Azia Afovoany, saingy, mety hanakana ny vokatsoan'ity fifindrana fiara maitso ity ny tambajotran'angovo mifototra amin'ny arintany sy ny fampitomboana ny tetikasam-pitrandrahana mifandraika amin'ny (famokarana fiara mandeha herinaratra).
GhostNets Australia: Avadik'ireo vazimba teratany ho harena ny fako
'Tombanana ho manome ny 10% raha kely amin'ireo fako an-dranomasina ireo fitaovana matoatoa. Eo amin'ny 500.000 hatramin'ny 1 tapitrisa taonina ireo fitaovana fanjonoana ariana any an-dranomasina isantaona'
‘Mendrika ho hita ny marina’: Melohin'ireo mpanakanto ny fanivànana sarimihetsika ao Filipina
Nalahatra ho X ny sarimihetsika roa ao Filipina, ary noraràna ny fandefasana azy ireo any anaty efitrano fijerena. Nahatezitra ireo Filipiàna mpankafy sarimihetsika sy ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra izany
Rotsak'orana sy tondradrano tsy nampoizina, ny fiantraikany tamin'ny fambolena sy fiahiana ara-tsakafo tao Kenya
Rotsak'orana niteraka fahavoazana goavana tany amin'ireo distrika 42 amin'ny 47 tao Keny. Nairobi renivohitra, Homa Bay, Kajiado, Mandera ary Nakuru no tena voa mafy indrindra tamin'ireo tondradrano
Na nisy aza ny fampanantenana dia mbola miatrika tsy fahampian-drano ry zareo Azerbaijaney
Mandritra izany fotoana izany, raha maneho ny ahiahiny ireo manampahaizana, momba ny fahafahan'ny fanjakàna mamaha ny olan'ny tsy fahampian'ny rano, miaritra ny mafy kosa ireo vahoaka ao an-toerana sy ireo mponina eny am-bohitra.