Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Oktobra, 2018
Armenia: Tapitra ny Fepetran'ny Tany Latsaka An-katerena, Mitohy ny Hetsi-panoherana
Na dia efa nijanona tamin'ny fomba ofisialy aza ny fepetran'ny tany latsaka ankaterena ao Armenia: mbola mitohy foana ny hetsi-panoherana.
Nouvelle Zélande: Fotoana Ho An'ny Fiovàna Koa?
Tamin'ny 8 Novambra, nanao fifidianana solombavambahoaka i Nouvelle Zélande niaraka tamin'ny firaisan-tetiky ny antoko mpanohitra izay nahazo ny maro an'isa tao amin'ny Parlemanta. Fotoana ho an'ny fiovàna ve izao? Manana hevitra maro ireo blaogera.
Bilaogera miresaka momba ny Kongresy Amerikana vaovao sy ny politika Amerikana ao Kiobà
. . . Ny politikan'i Etazonia ao Kiobà dia mbola mifamatotra akaiky amin'ny fahombiazan'ny antoko Repoblikana sy Demokratika amin'ny fifidianana anatiny ho an'ny fanovana goavana rehetra tsy ho ela. Mbola matanjaka ny vaton'ny anti-Castro, vondrona Kiobana-Amerikana sy ireo mpandresy lahatra an-dalantsara.
Pakistan: Fahafatesan'i Bhutto sy ny fiantraikan'izany eo amin'ny fifidianana
Amin'izao fotoana mampalahelo eo amin'ny tantaran'i Pakistana izao, tohina tsy mahita lazaina izahay ato amin'ny Emergency Times manoloana ity fihetsika vono olona tsy misy fandeferana sy feno herisetra nihatra tamin'ny mpitarika malaza indrindra (angamba) ao amin'ny firenentsika.
Bangladesh: Ireo Fifidianana 2008 Sy Ny Fikatrohana Anaty Aterineto
Fifidianana tao Bangladesh ny 29 Desambra 2008, fifidianana solombavambahoaka efa tena nandrasana fatratra. Fampielezankevitra mizotra amin'ny fomba tena samihafa amin'ny fifidianana filoham-pirenena natao vao tsy ela akory tao Etazonia, ka tany ireo median'ny olom-pirenena, ny fanentanana fifidianana sy ny fanangonambola, amin'ny aterineto, dia tena nanan-danja tokoa
Rosia: Lasa i Putin, Tonga i Medvedev
Lasa filoham-pirenena fahatelo ao Rosia post-Sovietika i Dmitry Medvedev tamin'ny Alarobia.
Madagasikara: Nandrahona ny fifidianana hoavy ny fikasana hanongam-panjakana
Tantara tamin'ny taona 2006, nanaovan'ny Jeneraly Fidy fanambarana tao amin'ny Toby BANI Ivato, Voatery niova lalana ny zotram-piaramanidina nandehanan'ny Filoha Ravalomanana tamin'izany fotoana izany raha nandeha tany ivelany hitodi-doha an-tanindrazana izy.
MENA: Nametra-pialana ny mpandrindra ny fampielezan-kevitr'i Obama ho an'ny Miozolomana
Nametra-pialàna i Mazen Asbahi, mpisolovava nanolo-tena ho an'ny Amerikanina Miozolomana sy Arabo mba ho mpandrindra ny fampielezan-kevitr'i Barack Obama taorian'ny fiampangana azy ho mifandray amin'i Jamal Said, imam ao amin'ny moské fondamentalista ao Illinois.
Japana: Ndeha Hampitaha an'i Barack Obama Sy Taro Aso
Sahala amin'ireo firenena hafa rehetra eto amin'izao tontolo izao, Japana, izay anisan'ireo mpiara-dalana tena matanjaka indrindra amin'i Etazonia ao Azia, dia nanaraka akaiky ny fifidianana ny Filoham-pirenena Obama. Navoaka, nadika [teny japoney] ny kabariny tamin'ny fanokanana (izay, navoaka niaraka tamn'ireo lahateny hafa nataony tamin'ny fampielezankevitra, dia tena nalaza tokoa ka nahatonga azy ho lasa 'bestseller' ary nampiasaina ho toy ny boky fianarana teny anglisy any an-tsekoly) ary nanehoana hevitra antsakany sy andavany tamin'ireo media japoney sy ireo fandaharana tanaty fahitalavitra japoney
Angola: Efa akaiky ny fifidianana andrasana mafy
Iiray volana latsaka sisa i Angola dia hiaina ny iray amin'ireo fizarana andrasana mafy eo amin'ny tantarany. Enina ambin'ny folo taona taorian'ny fifidianana farany, hanana fahafahana indray hampiasa ny zon'izy ireo hifidy amin'ny fifidianana solombavam-bahoaka ho avy ny Angolaniana, izay hatao ny 5 ka hatramin'ny 6 septambra.