· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Septambra, 2018

Egypta: Efa nazava ny fandresen'i Obama

Ninoana mihitsy fa samy nanana ny heviny ireo bilaogera Egyptiana momba ilay filoham-pirenena vaovao eto amin'izao tontolo izao ... ehm ... Etazonia rehefa fantatra tamin'ny fomba ofisialy fa i Obama no filohan'i Etazonia faha 44, hoy i Tarek Amr nanoratra raha nanadihady ireo bilaogy Egyptiana nandritra ny alin'ny valim-pifidianana manan-tantara.

Shina : Ny Vato Tsy Azo ivalozana Amin'ny Famaizana an'i Zimbaboe, Jerena Avy Any Shina

  04 Septambra 2018

Araka izany, hitanareo fa miditra lalina amin'ny raharaha anatiny... i Shina, manitsakitsaka tanteraka ny lalànan'ny 'tsy fitsabahana amin'ny raharaha an-tokantranon'ny firenena hafa". Pékin no mamatsy vola, basy ary manofana ny tafiky ny fitondrana...satria manana tombontsoa goavana i Shina. Hatrany hatrany, loza mitatao ho an'ny fanantenana sy ny fikasana hametraka demaokrasia manerana ny tany no fahitàna an'i Shina. [...] Shina tsy hoe fotsiny firenena iray tsy misy fitoviana sy rariny ao anatiny, fa koa manakana ny fitoviana sy ny rariny tsy hisy any amin'ireo firenena hafa ary mamoritra fatratra ny vahoaka ao aminy

Tonizia: Ireo Fifidianana Ao Maoritania, Ilay Ampinga Lehibe Ary Mohamed Abbou

  03 Septambra 2018

Saika tsy dia noraharahain'ny tontolombolongana Toniziana ny fifidianana filoham-pirenena tao Maoritania. I Nadia de Tunis [teny frantsay] irery ihany no misarika ny saina hankamin'io tranga ara-tantara ao amin'ny firenena io, izy izay mpikambana amin'ny UMA (Union du Maghreb Arabe). Ao anatin'ity lahatsoratra ity, resahan' i Nadia ny fanapahankevitra "mahagaga" nikarakarana an'ireo fifidianana, noraisin'ny miaramila iray izay nanangona ny fahefana tamin-kery tao amin'io faritr'i Afrika io, izay tsy isian'ny tetezamita milamina mihitsy. Manao teny tsy loabody ihany koa amin'ny tranga ao anatin'ny sisan'i Maghreb sy ireo firenena afrikana ity lahatsoratra ity.