Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Fifidianana tamin'ny Septambra, 2011

Goatemalà: Manaraka ny Fifidianana Amin'ny Ankapobeny

Androany, [11 Septembra 2011], no handeha hifidy filoham-paritra, ben'ny tanàna, solombavahoaka ary filoham-pirenena ny olom-pirenena Goatemalteka . An-jatony ireo niasa vao maraimbe mba hametraka demokrasia  tena izy. Na dia tsy afaka mifidy aza ireo Gotemalteka monina any ivelany, vahoaka an-jatony manerana izao tontolo izao no manaraka akaiky ny zava-miseho amin'ny...

Zambia : Manahy ny Hisian'ny Fandresena Lahatra An-terisetra Mikasika Ny Fifidianana Ny Mponin'ny Aterineto

Handatsa-bato i Zambia ny 20 Septembra 2011, hifidy filoha vaovao, mpikambana ao amin'ny parlemanta ary ny solontenam-paritry ny govrnemanta.Tsy fotoana very maina ny niresahana io tranga lehibe iray io ho an'ny mponin'ny aterineto satria izy ireo dia mampiasa ny aterineto hiresahana ny tahotra ny mety hisian'ny herisetra, kolikoly ary na...

Kyrgyzstan: Habetsahana sy Hatsarana mialoha ny Fifidianana

Hisy fifidianana Filoham-pirenena ilay firenena kely nalaza tamin'ny rotaka politika amin'ny volana Oktobra 2011. Ankehitriny dia manam-bintana halaza amin'ny zavatra hafa indray i Kyrgyzstan: mpizaka zom-pirenena Kyrgyz 83 no nisoratra anarana hifaninana hameno ny banga amin'ny sezan'ny Filoha. Mahavalalanina ihany ny lisitry ny kandidà. Misy ny mpahay lalàna, tantsaha, mpandraharaha,...

Nifidy Filoha Vaovao i Singapore

Dr Tony Tan dia voafidy ho Filoha fahafito ao Singapore ny 27 volana Aogositra nefa ny elanelan'ny vato nandreseny dia salan'isa 7,269 fotsiny. Nahangona 35.19 isan-jato tamin'ny fitambaran'ny vato fotsiny izy kanefa dia ampy izany handresena ireo Kandida telo hafa tamin'ny fifidiana Filoham-pirenena voalohany tao Singapore tato anatin'ny 18 taona

Vehivavy Afrikana Miezaka ho Mpitondra Fanjakana

Nisantatra ny lalana i Ellen Johnson-Sirleaf tamin'ny taona 2006, raha voafidy ho Filohan'i Liberia ary nanjary vehivavy Afrikanina voalohany tafakatra amin'ny toerana ambony indrindra. Nanomboka hatreo, dia maro ireo vehivavy Afrikanina nanapa-kevitra hirotsaka hofidiana filoham-pirenena, vao haingana indrindra tao Benin, Kamerona, Ganà, Ginea, Repoblika Demokratika Kongo ary Nizera. Samy nanana ny...

Repoblikan'i Afrika Afovoany: Herisetra No Manamarika Ny Firosoana Ho Any Amin'ny Fifidianana

Hisy fifidianana parlemantera hatao any amin'ny Repoblikan'i Afrika Afovoany -amin'ny 4 Septambra 2011. niakatrakatra ny tosi-drà tato ho ato taorian'ny famoriam-bahoaka nataon'ny mpanohitra niafara taminà herisetra. Mbola eo an-dalam-pahasitranana avy amin'ny fifandonana mahery vaika izay niandoha tamin'ny faramparan'ny taona 1990. Mitatitra i Lova Rakotomalala.