Tantara mikasika ny Fanabeazana
Namoaka lalàm-panabeazana vaovao tia tanindrazana i Shina hanamafisana ny rafi-pitondrana antoko tokana
Kinendriny ny hampitombo ny fitiavan-tanindrazana ao amin'ny Shinoa rehetra na ao an-toerana na any ampitan-dranomasina, indrindra ireo olom-pirenena avy any Hong Kong, Makao ary Taiwan.
Wikipedia Punjabi 21 taona: Fankalazana ny lahatsoratra 50.000 ary miatrika ny hoavy
Nifarimbona ny vondrom-piarahamonina manontolo hanatontosa Iraka 50.000, antso hihetsehana hanatratra lahatsoratra 50.000, ho fankalazana ny faha-21 taonan'ny Wikipedia Punjabi.
Tatitra Unfreedom Monitor : Fahafaha-miditra
Efa anaty tatitra iray izao ny valim-pikarohan'ny Advox momba ny fahafaha-miditra amin'ny aterineto. Vakio ny tsonga iray dia trohy ny pdf manontolo momba izany
Milaza ny mpanao famotorana ao Goiana fa mpianatra vavy iray tezitra tamin'ny findainy nogiazana no fotory ny fahamaizana mahatsiravina tamin'ny kilasimandrin-tsekoly iray
Tao amin’ny efitra fandroana no niantombohan’ny afo, izay noheverina fa nanaparitahan'ilay tovovavy fanafody famonoana bibikely teo amin’ny lambam-baravarana, avy eo izy nandrehitra afokasoka. Vetivety dia niitatra nanerana ny trano ny afo.
The Boomerang: Fanabeazana sy firotsahana sivily ao amin'ny Lohasaha afovoan'i California
"Mitady hino ny mpahay siansa politika... fa tsy azo inoana loatra havitrika amin'ny fiainam-pirenena ny tanora ao anaty fianakaviana tsy mizaka ny zom-pirenena U.S. satria tsy nianatra izany tamin'ny ray aman-dreniny"
Nahatratra ny dingana manan-tantara amin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Cannes ny sarimihetsika Mongoliana ‘If Only I Could Hibernate’
Manomboka vanim-potoana vaovao amin'ny indostrian'ny famokarana sarimihetsika ao Mongolia ny fahombiazan'ilay sarimihetsika. Ary vonona ny hitondra ny anjara birikiny ny fanjakana.
Ao Karaiba, ezahan'ny Andro Eranany ho an'ny Boloky ny hanentana ny daholobe momba ireo karazany marobe tsy fahita afa-tsy ao , nefa tandindonin-doza
Ao amin'ny faritra, ny fisamborana sy famarotana boloky ho an'ny tsena tsy ara-dalàna dia loza goavana mananontanona, arahan'ny fahaverezan'ny toerana fonenany noho ny fandripahana ala ho an'ny asa fanorenana trano, sy ny fizahantany ary ny fampiroboroboana ny fambolena.
Ady amin'ny fanaovana an-tendro feno herisetra ao Sahel sy ao Afrika Andrefana : fanamby lehibe iray ho an'ireo mpitarika fivavahana
Manana andraikitra lehibe amin'ny fisorohana sy fanoherana ny fanaovana an-tendro feno herisetra ireo mpitarika fivavahana.
Maninona no asian'i Trinidad & Tobago haba ny boky?
"Nanoritsoritra ny rafitry ny hetra ho politika ara-bola, fa tsy politika sosialy ny minisitry ny fitantanam-bola, saingy zara raha alonalona fotsiny izany. Ny hetra rehetra no maneho ny tomban'ny filàna sy ny laharam-pahamehana ara-tsosialy...."
Mety tsy ho voamarika izahay, fa misy olona manana fahasembanana tsy hita maso‘
Ny olona manana aretina toy ny aotisma ny fahaketrahana, ny androbe, ny endometriozy, na ny diabeta dia samy manana ny zavatra iombonany: fahasembanana tsy hita maso.