· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Fanabeazana tamin'ny Oktobra, 2018

Fanentanana momba ny SIDA amin'ny alàlan'ny lahatsary

  17 Oktobra 2018

Aretina mandripaka maneran-tany izay namotika ny fiainan'ny lehilahy, vehivavy ary zaza maro nandritra ny 20 taona mahery ny VIH/SIDA. Anndroany, mitondra lahatsary ho anao izahay, izay miresaka momba ny VIH/SIDA amin'ny endriny maro samihafa: ahoana no hiainana izany, hiarovana ny tenanao tsy ho tratrany ary ahoana no hanentanana momba izany. Avy any Kamerona, hira nahazo loka voalohany tamin'ny resaka SIDA, avy any Arzantina, hetsi-panentanana izay tsy matahotra ny milaza amin'ny tanora ny atao hoe kapaoty sy ny fomba fampiasana azy, ary avy any Beijing, lahatsary mikasika ny fanavakavahana, miaina miaraka amin'ny SIDA ary ny tanjaka hahatonga ilay toedraharaha ho an'ny besinimaro.

Fanavaozana mikasika ny kaonferansa “We Media”

  17 Oktobra 2018

Lahatsoratra tselika kely avy any Londres mba hampahafantarana anao fa handray anjara amin'ny resaka skype sy amin'ny IRC sehatra fifanakalozan-kevitra amin'ny aterineto miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices ny iray amin'ireo mpandahateny aty, i Nitin Desai .

Sodàna: Ny Tafika ONU-UA Ao Darfour, Sekolin-jaza Madinika Iray Tena Lafo, Ny Fiverenan'ireo Bibidia Ao Sodàna Atsimo Sy Ireo Fanehoankevitra Mikasika Ny Blaogera Sodaney Pelaka Iray

  15 Oktobra 2018

Fotoana fohy izay lasa hatramin'ny nitetezako farany ny tontolombolongana sodaney nefa mbola inty ihany aho, miaraka aminà lohahevitra isankarazany, anisan'izany ireo fanehoankevitra tsy mahomby manodidina ny blaogy vaovao iray nosokafan'ny sodaney pelaka iray. Wholeheartedly-Sudaniya [En] namoaka ity sary manaraka ity tamin'ny tambajotra, mikasika ny hetsika mihisatra ataon'ireo Firenena Mikambana ao Darfour sy mikasika ny maha-voarohitohy an'i Shina.

Shina: Nobel Nofinofy

  11 Oktobra 2018

Tamin'ity volana ity, dia tototra vaovao momba an'i Charles Kao, nandrobaka ny loka Nobel momba ny Fizika ny gazety Shinoa sy ny sehatra fiadian-kevitra antserasera. Saingy mpahay siansa Shinoa hafa any ampitan-dranomasina no nahazo ity loka malaza ity, nivadika ho fanontaniana lalindalina kokoa ity fotoana vetivety nizarana voninahitra ity: Rahoviana i Shina no hanana mpandresy loka Nobel voalohany indizeny?