Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2008

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Janoary, 2008

Bahamas: Ny fizahantany sy ny heloka bevava

“Tokony ho fantatry ny governemanta sy ny Bahamiana amin’ny ankapobeny fa zavamiseho marolafy izay mitaky zavatra hafa ankoatra ny torapasika mahafinaritra, fitaninan’andro ary ny filomanosana andranomasina ny fizahantany”: Anisan-dresaka nataon’i Adrian Gibson avy ao amin’ny WeblogBahamas.com izany raha niresaka ny amin’ny fizahantany sy ny fanaovankeloka izy.

Zimbaboe : Tantsaha mitaky haloa amin'ny sandam-bola “Rand”

Ny mpiblaogy Mugabe Mukaipa dia manapariaka vaovao izay navoaky ny gazety Zimbabwe Standard momba ireo Zimbaboeana izay mampiasa ny sandam-bola Afrikana Tatsimo : Villagers in most parts of Matabeleland are selling their livestock in South African Rand, citing the volatility of the Zimbabwean dollar whose value continues to tumble against...

Oganda: ifampitadiavana ny solika.

Kampala.ver no mampita vaovao avy any Oganda: “Raha ampitahaina amin'ny fahafatesa-na Kenyana anjatony dia mbola ambany ihany fiantraikan'ny fifidianana Kenyana namboamboarina ity fa ny iray litatry ny soliky ny fiara ihany no mba any ho any amin'ny USh 8,000.” Hampahafantarana antsika aloha fa nandalo ny seranana Kenyana ny solika Ogandey talohan'ny...

Jamaika: Mpaminany sandoka

“Hita ho ny faminaniana no handanian-dresaka amin'ity taona ity! Ny sasany mahita fa hitombo ny fanaovana heloka, moa ny hafa indray mahita fa hihamamiratra ny ho avy…”: Ny mampalahelo an'i Stunner dia ny “tsy fitokisany velively izay lazain'ireo milaza tena ho mpaminany”. (hatrany ka hatraty io rahalahy a!) Janine Mendes-Franco

Malawi: Mba tano re ny asa azo!

Manoro hevitra ny Malawita i Clement Nyirenda hoe : “Nahatonga saina ahy iny resadresaka iny satria nahafantarako fa be ny eto Malawi no mitady asa. Koa raha efa manana asa ianao, dia isaory Andriamanitra na dia kely aza ny karama fa tsy misy izao ny tsenan'asa.” Ndesanjo Macha