Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Jona, 2016
Nandresy ny Hafanana Tsy Mila Ny Herinaratra Ny ‘Eco-Cooler’ Ao Bangladesh
Nisy orinasa ara-tsosialy vaovao iray nahita hevitra tsotra mba hanomezana vahaolana mora vidy ho an'ny olan'ny hafanana amin'ny andro fahavaratra amin'ireo toerana tsy misy herinaratra.
Bilaogera Rosiana Nosamborina Rehefa Nanampy Mpanao Gazety Amerikana Nanao Tatitra Resaka Fananana Mifaka Olaimpika Tao Sochi
Nosamborina raha mbola teo amperinasa niaraka tamin'ny ekipa mpilalao sarimihetsika HBO i Aleksandr Valov ,bilaogera sady mpanao gazety Rosiana no tonian-dahatsoratry ny tranonkala BlogSochi
Trondro Aman-taonina No Maty Tamin'ny Fomba Hafahafa Tao Vietnam. Anisan'izany Ny Trozona
Tao anatin'ny roa volana, trondro aman-taonina no hita faty tao amoron-dranomasina ao afovoan'i Vietnam. Ary trozona fito ihany koa.
Mihetsika Hiady Amin'ny Fifindramonina Tsy Ara-Dalàna Avy Any Bangladesh i India, Nanidy Ny Sisintany ao Assam
Milaza i India fa te-hanidy ny sisintany ifanolorana amin'i Bangladesh ao amin'ny fanjakana avaratra atsinanana ao Assam. Nilaza ny BJP fa ilaina izao fepetra izao hiadiana amin'ny ffindramonina tsy ara-dalàna avy any Bangladesh.
Zanj Radio: Onjam-peon'ny Mozika Antserasera Ao Jamaika Miaraka Amin'ny Hafatra Ara-tsosialy
"Tsy vondrona media iray hafa fotsiny ity. Fa vahaolana."
Mandrahona Hitory Tranonkala Fitadiavan'Asa Tsy Mety Namoaka Tolotr'Asa Mitady Mpandihy Ny Klioba Iray Mpanao Striptease
Mandrahona hitory tranonkala mpanome tolotr'asa ny klioba mpandihy sexy Rosiana noho ny fandavan'ny tranonkala tsy hamoaka filazana tolotrasa hitadiavana mpandihy amin'ny fampisehoana ao amin'ny klioba.
Rehefa Tsy Mahita Asa Ireo Mpifindramonina Ao Espaina, Mihazakazaka Mivarotra Labiera Eny Amoron-dalana Ny sasany
"Tsy tiako ny mivarotra labiera,, saingy mila vola ho alefa [ho an'ny fianakaviako] aho."
Japana : Tsy Firaharahiana iombonana Nitsenana ireo Taratasin'i Panama
"Raha toa ka tsy tezitra ny governemanta ka hijanona hangina, dia ny vahoaka Japoney indray no hihomehy amin'ny farany (ho tompon'ny teny farany)."
#PanamaPapers Milaza Ny Tantara Mahazatra Momba Ireo Sangany Ara-politika Ao Pakistan
Iray amin'ireo vaovao tafaporitsaka teo amin'ny tantaran'ny asa fanaovan-gazety ny filazana ny haremben'ny fianakavian'ny Praiminisitr'i Pakistan Nawaz Sharif, ankoatra ireo mpitarika hafa manerantany.