Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Jona, 2013
Taorian'ny Nanadihadiany Ny Farihy Misy Poizina Nisy Nanafika Tany Rosia Ny Mpitoraka Bilaogy Iray Momba ny Tontolo Iainana

Lasa faritra mampidi-doza ho an'ny hafanam-pon'ny vahoaka ao Rosia ny fiarovana ny tontolo iainana—farafaharatsiny rehefa voakasika ny fandotoana atao'ny indostria. Izany dia satria matetika mifanohitra mivantana amin'ireo tombotsoan'ny fandraharahana isam-paritra, izay matetika mihetsika amin-kerisetra, ireo mafana fo mikasika ny tontolo iainana. Ohatra mivaingana iray: nisy olona tsy fantatra nanafika ary nidaroka mafy ny mpitoraka bilaogy iray mikasika ny tontolo iainana avy any amin'ilay vohitra indostrialy salantsalany any Pervoural ho valifaty tamin'ny fanentanana nataony mikasika ny fako arian'ny mpamokatra krôma iray mankany amin'ny ony Chusovaya.
Nosokafan'i Bangladesy Ny YouTube Taorian'ny Fandraràna Nandritra Ny Valo Volana
Nanala ny fibahanany ny YouTube tany Bangladesy ireo tompon'andraikitry ny fifandraisan-davitra ao Bangladesy taorian'ny 260 andro namehipehezana ny fahafahana miditra amin'ilay tranonkala fifampizaràna lahatsary tao anatin'ny firenena
Didim-Pitsarana Indiana Manome Vahana Ireo Zo Ara-poko Mikasika Ny Drafi-Pitrandrahan'ny Vendata
Ny 18 Aprily 2013, ny Fitsarana Avon'i India dia namoaka didy hoe tokony handray ny fanapahan-kevitra farany ireo mpanolotsain'ny tanàna mikasika ny ho fahafahana mitrandraka bauxite any amin'ny fanjakana atsinanan'i Odisha ho an'ny Vedanta Resources. ilay orinasa Britanika miteraka resabe. Maniry hitrandraka eo amin'ny nosy Dongria Kondh izay ataon'ny olona ho tany masina ny Vedanta.
Amazona Breziliana : Mitolona Haharaka Ny Onjan'ny Fitombon'ny Mponina Ao Amin'ny Toby Famokarana Herinaratra
Mitarika fanorenana fotodrafitrasa toy ny sekoly, tobim-pahasalamana, ary tobin'ny mpitandro filaminana ny firongatry ny vahoaka manamorona ny reniranon'i Madeira any Brezila noho ny fisian'ilay fanaovana tohodrano ao amin'ny fanjakan'i Ronônia. Nefa ny mpitondra eo an-toerana tsy mety manome fahafaham-po.
“Mibodo Tany” Any Afrika Ve Ny Orinasa Indiana ?
Mbola adihevitra mitohy ny hoe fandrisihina ny fampandrosoana, sa fibodoana tany tsotra izao ny fividianana na fanofàn'ireo orinasa sy governemanta avy any ivelany tany any Afrika. Nandray anjara tamin'ny resaka Q&A (Fanontaniana&Valiny) tao amin'ny Facebook momba ny "fibodoana tany" any Afrika i Aman Sethi solontenan'ny The Hindu any Addis Abeba.