Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Marsa, 2013
Atahorana Ny Fisondrotam-bidin'ny Tapakila Noho Ny Nandravàn'i Shina Ny Ministeran'ny Fitaterana An-dalamby Novesaran-trosa
Nanapa-kevitra i Shina ny handrava ny ministeran'ny fitaterana an-dalamby matanjaka saingy bokan-trosa tao aminy mba hampakàrana ny fahafahan'ny governemanta miasa tsara sy hiadiana amin'ny kolikoly, hetsika iray izay ahiahian'ny maso amin'ireo Shinoa mpampiasa ny aterineto ho midika fisondrotam-bidin'ny tapakila atsy aoriana atsy.
Mahatezitra Ny Mpisera Ety Anaty Aterinetio Ny Toetran'ireo Parlemantera Okrainiana Mpanitsakitsaka Lalàna
Nahavita nanao fampielzankevitra kely tey anaty aterineto i Vadym Kolesnichenko, solombavambahoaka avy amin'ny antoko mitondra , rehefa nifanolana taminà vehivavy iray teny amin'ny seranampiaramanidina, izay tsy nanao afa-tsy ny asany.
Lalana Ao Slovakia: “Asiana Lavaka Sy Hitazana ny Fitomboan'izany”
Tamin'ity taona ity, ratsy dia ratsy ny toetry ny lalana ao Slovakia. Raha jerena, mbola ratsy kokoa noho ny tamin'ny taon-dasa. Tamin'ny 28 Febroary, nanoratra [sk] ny gazety SME fa ao amin'ny faritra Košice, ao Atsinanan'i Slovakia fotsiny dia ahitana lavaka amin'ny arabe mirefy 37.000 metatra toradroa, kanefa mbola tsy tapitra...
Ny Filohan'i Malawi Banda Sy Ny ‘Fitiavan-Tenan'ny’ Mpikambana Parlemantera
Niteraka korontana tao amin'ny parlemanta ny filohan'i Malawi, Joyce Banda, tamin'ny fikirizany fa tsy hahazo vatsin-tsolika goavana [tadiaviny] ny mpikambana ao amin'ny parlemanta, tamin'ny filazany fa tsy manam-bola handoavana izany governemanta.
Kianja Sa Sekoly: Diso Toerana Ny Laharam-Pahamehana Ao Slovakia
Tsy misy vola ampy hanomezana karama sahazo ho an'ireo Slovaky mpampianatra, saingy misy kosa ny vola hananganana kianja filalaovana baolina kitra manerana ny firenena. Tibor Blazko mitatitra momba ny hadisoan'ny governemanta Slovaky amin'ny laharam-pahamehana amin'ny famatsiam-bola.
Fanontaniana Sarotra Ho an'ny Filohan'i Iran Voasivana Tao Amin'ny Fahitalavi-Panjakana
Notapahin'ny fantso-pahitalavi-panjakana Iraniana IRIB tampoka ny tafatafa nifanaovana tamin'ny filoha Mahmoud Ahmadinejad ho fanapahana ireo fanontaniana sy valiny sarotra momba ny toekarena Iraniana ka fampisehoana hafa no nanoloana azy.