· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Novambra, 2012

Repoblika Dominikana : Mpianatra Iray Namoy ny Ainy Nandritra Ny Fihetsiketsehana

  13 Novambra 2012

Hetsika samihafa ho fanoherana ny volavolan-dalàna no nokarakaraina [es] Tamin'ny fandrenesana ny fanitsiana ny hetra napetraka tao amin'ny Kongresy Nasionaly, izay niteraka tsy fahafaliana goavana teo amin'ny fiarahamonim-pirenena. Natomboka tamin'ny 4 Oktobra ny hetsika , tamin'ny fotoana nambarana ny volavolan-dalàna. Na dia izany aza niha-nahazo hery ny fihetsiketsehan'ny olom-pirenena nanomboka ny talata 6 novambra izay...

Mitsabo Ny Fifandraisan'i Japana Sy Shina

  09 Novambra 2012

Taorian'ireo hetsi-panoherana fankahalàna an'i Japana tany Shina, ny fifandroritana ofisialy misy amin'ny firenena roa tonta dia mihizina nanomboka tamin'ny Oktobra lasa teo. Raha miady amin'izay hampivoarana ny fifandraisana ny governemanta roa tonta, eny amin'ny sehatry ny fiarahamonina sivily no tsikaritra ny sasany amin'ireo fahombiazana. Jerentsika ato anatin'ity lahatsoratra ity ny sasany amin'ireo hetsika ireo.

Ainga Vaovao Ho An'i Barack Obama Any Afrika ?

  08 Novambra 2012

Raha voafidy indray Barack Obama hitondra mandritra ny efa-taona any Etazonia, Afrika kosa dia manao tombana ny efa-taona nitondràny Amerika sahirana kokoa amin'ny olana ara-toekarena noho ny fifandraisana ivelany, indrindra ny fifandraisana amin'ny kaontinanta afrikana. Lehibe tokoa ny fanantenan'ireo afrikana, nefa maro no mieritreritra fa hahafahan'ny Filoha Obama mandinika lalindalina kokoa momba ny olana afrikana ny fe-potoam-piasàna faharoa azony.

Na Eo Aza Ny Fandrahonana, Miady Hisian'ny Lalàna Tsy Miangatra Momba Ny Angovo Ireo Makedoniana Mafàna Fo

  08 Novambra 2012

Ireo mpikambana avy eny ifotony ao amin'ilay fandraisana andraikitra sivily AMAN, izay nangataka ny mba hisian'ny fandrindràna tsy mitanila ny resaka angovo sy fampitsaharana ny fampakàrana ny sandan'ny asam-panjakana ao Makedonia, dia niatrika endrika teritery samihafa, nahitàna hatramin'ny fandrahonana tsy mitsaha-mitombo. Ny Sabotsy dia voasakan'ny mpolisy ny fifandonana mahery vaika nandritra ny famoriam-bahoaka iray.

Saint Lucia : Akondro Loharanon'Angovo Azo Havaozina Hoe?

  03 Novambra 2012

Lahatsoratra iray tanaty blaogy tamin'ny 2011 mikasika ny fampiasàna ny akondro amin'ny famoronana solika avy amin'ny zava-maniry no nanome aingam-panahy an'i Dane Gibson hametraka fanontaniana vitsivitsy mikasika ny sehatry ny angovo azo havaozina ao amin'ny firenena kelin'i Santa Lucia ao Karaiba