Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Toekarena sy Fandraharahàna tamin'ny Oktobra, 2011

Afrika : R.I.P Steve Jobs, Ho Banga Anao Izahay

Ilay mpiara-manangana, mpitantana, ary tale mpanantanteraka ao amin'ny Apple Inc.Steve Jobs dia nodimandry ny 5 Oktobra 2011. Bilaogera maro no nanokana fotoana nanehoana fankasitrahana sy fahatsiarovana ny zava-bitany teo amin'ny tontolon'ny teknolojia.

Sina: Mpianatra Miofana Arak'asa Sa Mpikarama Vary Masaka?

Mba hiatrehana ilay olana dia nanomboka nandrisika ny fanorenana ivontoerana tantanin'olon-tsotra ny governemanta Sinoa mba hampitomboana ny isan'ireo sekoly manofana hiasa. Mizara ny tsy fahafaliany eto anivon'ny aterineto ireo mpianatra tafiditra amin'ilay lasitra "Orinasa etsy aloha, sekoly ao an-damosina".

Etazonia: Mitombo ny Tahan'ny Fahantran'ny Hispanika

Miharatsy hatrany ny toe-karena Amerikana. Manampy ny tahan'ny tsy fisian'asa efa tsy mety miala ihany koa ny tahan'ny fahantrana izay mahakasika vahoaka maherin'ny 46 tapitrisa, 15,1 isan-jaton'ny vahoaka, araka ny hita tamin'ny fanisam-bahoaka farany. Nanamafy ny manam-pahaizana fa ity no taha ambony indrindra hatramin'ny taona 1993. Mampanahy tanteraka ny toe-draharaha noho...

Rosia : Fitsipika Fitondran-tena Ho Fiarovana Amin'ny Cyber ?

Ny governemanta dia miezaka ny hanely ny rafitra fifehezana ny Aterineto any ivelany -ary ireo bilaogera Rosiana dia mandika izany fihetsika izany ho fototra fiarovan-tenan'ny fitondrana misy, na koa manakorontana kokoa, toy ny fisainana tsy dia mendrika loatra momba ny aterineto.